Dila iny ny taona 2012, tsy nety tafatsangana ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na FFM, araka ny voatondron’ny tondrozotra ao amin’ny andininy faha-28.
Mihisatra ihany koa ny asa fampihavanana heverin’ny FFKM hatao, na dia naneho ny fahavononany hiroso amin’izany aza ity farany taorian’ny Komity foibe faha-35 ary natomboka tamin’ny fiaraha-mivavaka tao amin’ny FLM Ambatovinaky ny 23 desambra 2012. Taorian’io dia nandeha ny resaka fa hivory avy hatrany ireo filoham-piangonana efa-tonta, mandrafitra ny FFKM, ny 29 desambra hiaraka handrafitra ny tetiandro hanatanterahana ny fampihavanana, ka hamoriana ireo rehetra voakasik’izany. Am-perinasa ny SEFIP nanomana, saingy ny fantatra aloha dia tsy mbola nisy ilay fihaonan’ireo filoham-piangonana. Mbola samy revo amin’ny fety famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao ny rehetra, hoy ny filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala Haja. Ny lojikan’izay dia amin’ity 2013 no ho hita eo ny tohiny. Sarotra ny miandry ny FFKM.
Asa tsy azo irotorotoana rahateo ny fampihavanana, fa mila fahavononana, fahatsiarovan-tena sy faharesen-dahatra ary fiekena sy fanetren-tena. Hiova fitantanana ny FFKM amin’ity 2013 ity, ny EKAR indray no hitarika, ka ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène no ho filohany. Amin’ny 25 janoary no fantatra fa hanaovana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana hanolorana azy ny fanevan’ny ekiomenisma, hifanaovany amin’ny filohan’ny FLM, Dr Rakoto Endor Modeste izay filoha amperinasan’ny FFKM amin’izao.
Tsy mbola voafaritra kosa hatreto ny fiangonana hampiantrano izany. Tombanan’ny maro hiandry aorian’izay famindram-pitantanana izay koa ny tena asa fampihavanana hataon’ny FFKM, izany hoe miandry an’ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène, izay efa nitarika izany tamin’ny febroary 2009 saingy nitsoaka an-daharana noho ny tsindry samihafa. Niverina indray ny martsa 2009, dia ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nitranga tao amin’ny Episcopat Antanimena. Nisy filoham-piangonana voaray vozon’akanjo ! Milaza ny hiverina an-tanindrazana amin’ity janoary 2013 ity ny Amiraly Ratsiraka araka ny filazan’ireo manodidina azy, mety ho efa eto an-tanindrazana ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ka dia ho masa-bary maito kitoza ny fampifanatonana sy fampihavanana kendren’ny FFKM hotanterahina.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.