Politique

Fampihavanam-pirenena Miaiky ny mpomba an-dRajoelina fa mitarazoka ny krizy


  • Talata 27 Aprily 2010

Nipoitra tsikelikely ireo fikambanana sy andian’olona nanohana an’i Andry Rajoelina sy ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Miaiky izy ireo ankehitriny fa misy ary mitarazoka ny krizy. Mba hanaronana ny fahanginany sy ny tsy fandraisany andraikitra nampitsarahana izany krizy izany anefa dia ny ezaky ny hafa tsy nikely soroka nikaro-bahaolana sy nanao fanelanelanana hatramin’izay indray no nambaran’izy ireo fa tsy nahomby, mba hidiran’izy ireo an-tsehatra.

Nijoro nanomboka omaly ohatra ny fikambanana «Malagasy Mijoro – Tanindrazana Mandroso». Filohan’ity fikambanana ity ny pretra Ratongavao Raymond Charles, Filoha lefitra Andriamatoa isany Alain Rajonson, William Marolahy ary ny mpanao gazety Maka Alphonse. Mpandrindra kosa ny Pasitera Nestor Razafindramanitra ary mpanolotsaina i Edmond Rabehaja Fils. Tanjon’ny fikambanana ny hifanolo-tanana sy hiara-hisalahy amin’ireo tsara sitrapo rehetra hiaraka hikaro-bahaolana manoloana ny krizy lalovan’ny firenena izao izay ahiana mafy ny hahafongotra sy hampanjavona tsikelikely an’i Madagasikara tahaka izay efa nitranga tamin’ny firenena afrikanina sasantsasany toa an’i Soudan, Somalie ary RDC sy ny sisa hafa.

Toy ny fihaonana tamin’ny ankolafin-kery hafa izay mikaro-bahaolana ihany koa toy ny fihaonana tamin’ny mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ny fihaonana tamin’ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana sy ireo hafa. Ny mahamaika amin’izao dia ny fanohizana ny dingana efa vita ho fikaroham-bahaolana izany mba hahazoana manolotra soso-kevitra ho amin’ny fampihavanam-pirenena. Tsy maintsy atao mantsy izany fampihavanana izany mba hisian’ny fandriampahalemana maharitra izay antoky ny fampandrosoana.
Omaly hariva ary dia nampahafantatra ny fijoroan’ity fikambanana ity tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Hotel Colbert ireo mpikambana amin’ny birao notronin’ireo mpikambana. Efa nisy moa, omaly, ny fihaonana izay nanasana ireo raiamandreny to teny avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Teo koa anefa ny tompon’andraikitra avy amin’ny fanabeazana, fahasalamana, fitsarana, mpandraharaha sy ny sisa hafa. Nantsoina toy izany koa ireo manamboninahitra am-perinasa na efa misotro ronono.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT