Tsy voatery ho mahay lalàna na mahafehy ny fomba fandanian-dalàna avokoa ireo solombavambahoaka na loholona lany eny anivon’ny parlemanta, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.
Tena ilain’ny parlemantera ny fahaiza-manao amin’ny famolavolana lalàna. Tompon’antoka lehibe indrindra eo anivon’ny Antenimiera kosa ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera momba ny lalàna. Anjaran’ity farany amin’ny ankapobeny ny mikirakira ny volavolan-kevitra havadika ho volavolan-dalàna haroso hankatoavin’ny fivoriamben’ireo olom-boafidy mpanao lalàna eny Tsimbazaza na Anosikely. Tsapa ho matoky io asa goavana fikirakirana volavolan-dalàna iandraiketan’ny kaomisionin’ny lalàna io ireo solombavambahoakan’i Madagasikara tao anatin’izay 3 taona mahery izay, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena. Zava-misy mpiseho matetika kosa hatramin’ny nijoroan’ity andrimpanjakana ity anefa ny baiko midina manova tanteraka ny firafitry ny volavolan-dalàna tsy maintsy laniana, araka ny fanamarihany. Ohatra azo raisina amin’izany ny fomba nandaniana ny lalàna momba ny fampihavanam-pirenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.