Politique

Fampiharana ny satan’i Maputo Ataovy fitsapan-kevi-bahoaka, hoy i Tonton Ambroise


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

“Manamarina ny tolokevitra narosonay ato amin’ny «Mouvance Légaliste» sy ny FRDL (Front Républicain et Démocrate Légaliste) hatramin’izay hivoahana amin’izao krizy izao ny zava-mitranga ankehitriny”, hoy i Tonton Ambroise maneho ny heviny manoloana ny fikatsoan’ny raharaha politika eto Madagasikara.

Nambarany fa ny firosoana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, hanontaniana ny hevitry ny Malagasy na «hampiharina ny satan’i Maputo na tsia» no hialana amin’ity fiziriziriana ity. Tsy i Andry Rajoelina, amin’ny maha olom-pirenena malagasy azy no olana, hoy i Tonton Ambroise fa ny tsy fampiharany ny satan’i Maputo, koa raha mivoaka mpandresy ny “Eny” amin’io fitsapankevi-bahoaka io dia mazava ny resaka, fa ampiharina tsy misy fanovana izay voarakitry ny satan’i Maputo sy ireo fifanarahana politika rehetra miaraka aminy. Raha ny «tsia» kosa, dia governemantan’ny firaisam-pirenena no lojikan’izay. 

Mikasika ny atrikasa teny Ivato kosa dia nanamarika i tonton Ambroise fa na nisy aza ny filazan’ny Minisitra samihafa eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny Komity mpikarakara azy iny fa nasaina avokoa ny antoko politika, dia tsy nahazo fanasana ho amin’izany ny antoko FRDL tarihiny, na dia tao anatin’ny fahoriana aza, satria namoy ny vady andefimandriny, izy. Nambarany anefa fa dia raharaha tokantranon’ny samy Fahefana Avon’ny Tetezamita ihany iny atrikasa iny, «tsy hita ho raisina akory izay tinakapa tao». 308 no nifanaiky ny hanaovana «Assemblée Constituante», nefa ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no efa 400 any. Midika io fa izy samy izy aza tsy resy lahatra amin’ny lalana ivoahana amin’ny tetezamita naroson’i Andry Rajoelina hankatoavina nandritra iny atrikasa iny, hoy i Tonton Ambroise, ka izay no anamafisany, fa ny firosoana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka hanapahana na hampiharina na tsia ny satan’i Maputo no tokony hirosoana, hampazava ny resaka. Diso ny fiheverana, hoy i Tonton Ambroise fa ny ankolafy telo ihany no manohana ny hampiharana ny satan’i Maputo fa maro, anisan’izany ny «Mouvance Légaliste».
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT