Politique

Fampifanatonana ny samy mpanao politika Handresy lahatra ny Ankolafy 3 ny CNOSC anio


  • Alarobia 04 Aogositra 2010


Anio no hihaona amin’ireo Ankolafy 3 eny amin’ny Espace Dera Tsiadana ny avy ao amin’ny CNOSC na ny fianakaviamben’ny fiarahamonim-pirenena ahian’ny KMF/CNOE, ny “Alliance des Organisations de la société civile” miaraka amin’i Lalao Randriamampionona ary ny “Coalition des Organisations de la société civile” tarihin’i Velompanahy Aristide, rehefa avy nihaona tamin’ny «Sehatra ifanakalozan'ny mpanao politika» tao amin’ny Havana Café Ambohidahy. Anton’ny fihaonana ny fampahafantarana ny tena andraikitry ny CNOSC sy ny fandresena lahatra ny ankolafy Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy Albert mba hanaiky ny fanelanelanana sy ny fifampiresahan’ny samy Malagasy amin’ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy. Efa nanaiky ny hanatrika ny fihaonana ireo Ankolafy 3, ary araka ny nambaran’i Emmanuel Rakotovahiny avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert dia miankina amin’io ny hanatrehan’ny ankolafy 3 na tsia ny fihaonambem-pirenena. Nanamarika anefa izy fa ny zavatra atao rehetra dia tsy tokony hivaona amin’ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba izay fenitra eken’ny maro an’isa eto amintsika sy ny sehatra iraisam-pirenena.

Tsy mbola miova amin’ny heviny izany, hatramin’izao ireo ankolafy 3 fa dia izay efa nosoniavin’ny filohan’ny ankolafy 4 ihany no fototra iaingana amin’ny famahana ny krizy. Na izany aza anefa dia tsy tena manda tanteraka ny soso-kevitra hafa ihany koa izy ireo. Etsy ankilan’izay dia maromaro ihany ireo tolo-kevitra tsy mifanalavitra amin’ny satan’i Maputo sy ny eken’ny Ankolafy 3 nivoaka nandritra ny Dinika Santatra, tahaka ny famotsoran-keloka, ny fandravana ny FAT sy fananganana tetezamita iaraha-mitantana ary ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena handraisan’ny ankolafy politika sy ny hery velona rehetra anjara. Koa araka izany dia tokony ho hita taratra ao anatin’ny lohahevi-dehibe hiadiana hevitra mandritra ny fihaonambem-pirenena izany. Raha atao ny kajy tsotsotra dia tsy tokony ho sarotra intsony ny fifandresen-dahatra, saingy politika avo lenta moa ity resaka ity ka tsy fantatra mihitsy izay mety hitranga anio sy rahampitso. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT