Politique

Fampifanatonana ny mpanao politika Hiala nenina ny CNOSC hivahan’ny krizy


  • Zoma 03 Septambra 2010

Tsy milavo lefona ny CNOSC na eo aza ny fikasan’ny mpiara-dia amin’ny FAT dia ny UDR sy ny ESCOPOL na Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika, hanilika azy amin’ny ezaka fampifanatonana ireo mpanao politika hiara-hikaro-bahaolana hivoahana amin’izao krizy mandrendrika ny firenena izao.

Araka ny fantatra dia manohy ny fandresen-dahatra ny andaniny sy ny ankilany avy hiverina indray an-databatra boribory hanohy ny fifampidinihana ny avy eo anivon’ny CNOSC raha nitsetra izany dinika izany herinandro lasa izay. Taorian’ny fivoriana manokana niarahany tamin’ny solontenan’ny mpanelanelana irasam-pirenena ny alatsinainy lasa teo no efa nanambara ry zareo avy eo anivon’ny CNOSC fa afaka herinandro indray no hanohizana io fampifanatonana ny mpanao politika io. Ao anatin’ny fandresen-dahatra izany izy ireo ankehitriny. Raha nanao fandaharana ady hevitra manokana tamin’ny haino amanjerim-panjakana i Andry Rajoelina ny alin’ny alahady 29 aogositra lasa teo dia nanao teny manilika an-kolaka ireto CNOSC ireo fa mihevitra ny hanankina ny tohin’ny asa amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny COSC (Coalition des organisations de la société civile). Ho hita eo ny tohiny, satria toa lasa sonia mitety vohitra sisa no niafaran’ny resaka teny Vontovorona fa tsy nisy tenierana intsony.

Ny Escopol asa nitsoa-pahana tsy nanao sonia indray ny sasany, hany ka lany andro nanovaova anarana ny andrim-panjakana tiany hajoro ao anatin’ny tetezamita sy ny mikitikitika ny fifanarahana efa vitany sonia indray, izay manaporofo fa na izy samy izy ireo ihany aza tsy manaja izay sonia nataony akory. 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT