Politique

Fampiasam-bolam-panjakana Haato ny fakana vola ao amin’ny «rubrique 2317»


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Tontosaina ao amin’ny efitrano malalaky ny ministeran’ny teti-pivoarana Anosy mandritra ny hateloana ny fanaraha-maso ny fampiasam-bolam-panjakana isaky ny ministera mandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona sy ny fanomanana ihany koa ireo fampiasam-bola mandritra ny tapany faharoa.

Momba ny vola niditra tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana dia nahatratra 989 miliara ariary hatramin’ny volana jona teo raha 1058 miliara ariary no novinavinaina. Mihoatra ny 100% ny vola niditra tamin’ny hetra izay mitotaly 587 miliara ariary raha 86% kosa ny avy amin’ny fadin-tseranana, izany hoe mahatratra 379 miliara ariary. Momba ny fandaniam-bolam-panjakana indray dia ny ampahefatry fandaniana nomanina ankapobeny izay mitotaly 3 255 miliara ihany no nampiasaina. Nataon’ireo ministera isan-tokony laharampahamehana nandritra ny enim-bolana voalohany ny fandoavana karaman’ny mpiasam-panjakana, ny tambin-karama ary ireo asa isan-tsokajiny miampy ny trosa ihany koa. Tsy nisy tokotaniny kosa ny fampiasam-bola na ny PIP izay tsy nisy afa tsy 81 tapitrisa ariary monja. 1 329 anefa no novinavinaina hampiasaina. Raha atao ny kajikajy dia 6,15% monja ny fampiasam-bolam-panjakana tao anatin’ny enim-bolana izay tsy mahagaga satria tsy manam-bola ny fanjakana ka tsy afaka manatanteraka tetikasa afa sy ireo tena iankinan’ny aim-bahoaka. Ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny ministeran’ny atitany no nomena ampaham-bola betsaka tao amin’ny PIP noho ny fanomanan’ny FAT ny fifidianana sy noho ireo asa fananganana tranon’ny mpianatra ary nandoavana ny vatsim-pianarana. Rehefa dinihana akaiky moa dia tsy nisy afa tsy ny 2%-n’ny PIP ihany no avy amin’ny fanampiana avy any ivelany. “Ambiny tamin’ny famatsiam-bola nomen’ireo mpiara-miombon’antoka taloha sisa izy ireny”, hoy ny teknisianina iray.

Enim-bolana faharoa
Raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny vola dia efa eo am-panomanana ny fanitsiana ny lalàna momba ny fandaniam-bolam-panjakana ireo teknisianina ankehitriny. Mbola hihamafy ny famehezana kibo mandritra ny enim-bolana farany amin’ny 2010. Anisan’ny fepetra horaisina izay efa nampitaina tamin’ireo tompon’andraikitra isaky ny ministera omaly ny fampiantonana ny fampiasana ny vola ao amin’ny “rubrique 2317 antsoina koa hoe : “frais de préexploitation”. Be tokoa ny vola alaina amin’ity kitapo ity raha ny fanazavana.
 
Yves  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT