Politique

Fampiantsoan’ny Bianco “Azo samborina izay tsy tonga”


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Mbola ny 65% amin’ireo tompon’andraiki-panjakana no tsy nahavita ny fanambaram-pananany raha ny tatitra farany nataon’ny Bianco,

 ka nanomezan’ity sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ity fe-potoana fanampiny 3 volana. Tsiahivina fa 6 volana ka hatramin'ny 5 taona an-tranomaizina miampy lamandy 50 ka hatramin'ny 200 tapitrisa ariary ny sazy miandry ireo tsy mahavita. Raha ny lalàna vaovao dia isaky ny 2 taona no tsy maintsy manao fanambaram-pananana ny olom-panjakana voakasika ka amin’ity taona 2017 ity no tokony hanaovana izany ary amin’ny taona 2019 ny manaraka. Ny fitsarana, ny sampandraharahan’ny ladoany sy ny hetra no tena ambany ny taham-panaovana azy, raha ny tatitry ny Bianco. Nambaran’ny talen’ny Bianco fa tsy misy ambonin’ny lalàna ary tsy maintsy hatao famotorana avokoa fa ao anatin’ny fanajana lalàna. Rehefa misy olona hanaovana fanadihadiana sy famotorana kanefa tsy mamaly dia azo atao ny misambotra azy. Mahalasa saina ny maro ihany anefa ny mikasika ny raharaha nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy noho ilay resaka fanodinkodinana volabe 390 tapitrisa ariary, izay efa nampanantsoina in-droa kanefa tsy namaly ny antson’ny Bianco, kanefa mbola miriaria ankehitriny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT