Mihozongozona amin’ny toerany ny Tale jeneralin’ny SPAT Toamasina.
Ny fanaovana sonia ny didim-panjakana momba izany sy ny fampahafantarana azy ampahibemaso fotsiny sisa no andrasana, raha tsy hoe hihemotra amin’ny ora farany ny FAT. Resaka politika no
Nenjehina noho ny “fanaovana fivoriana politika tsy nahazoana alalana teo anivon’ny tranon’ny SPAT ny ankolafy Ravalomanana” i F.R. nanao ny fifanarahana izay neken’ny seranan-tsambo tany am-boalohany. Tsy nifarana tamin’izay ny raharaha fa nitarina ho lasa “fivadihana tamin’ny fifanarahana natao indray” aty aoriana, satria nanomboka ny zoma lasa iny, nitohy ny alatsinainy sy ny talata teo ny fanadihadian’ny kaomisarian’ny seranan-tsambo, ary teo no nisy taratasy fanampiny ilay nifanaovana sonia mikasika ny fepetra amin’ny fampiasana ny trano, nefa nandritra ny sonia natao ny sabotsy 30 jolay teo amin’ny mpanofa sy ny mpampanofa, dia efa nipetraka tao anaty efitrano ny sorabaventy na “banderole” sy ny ravaka samihafa ary ny seza maro, nefa tsy nisy ny sakana teo amin’ny seranan-tsambo nampanofa malalaka ny tranony ho an’ny ankolafy Ravalomanana.
Ho hita eo ny ho tohin’ny tantara, fa ny Tale jeneralin’ny SPAT aloha eto no atao lasibatra amin’ny fanovana tian’ny FAT hapetraka sy ny fampiharana ny politika avo lenta. Handrasana koa ny ho fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana sy ny fampanoavana mikasika ny raharaha anenjehana an’i F.R. momba ny fitorian’ny Tale jeneralin’ny SPAT tamin’ny fampiasana ny tranon’ny Port nanaovana io hetsika politika io.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.