Politique

Fampanjakana ny Demokrasia Miofana ny Loholona


  • Zoma 14 Oktobra 2016

Manatanteraka atrikasa ho an’ireo Loholona mandritra ny roa andro, ny 13 sy 14 Oktobra 2016 etsy amin’ny Lapan’Anosikely,

ny EISA (Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique) na ny Ivontoerana misahana ny Fifidianana ho Fampanjakana ny Demokrasia Maharitra aty Afrika. Nambaran-dRtoa Jessica Andreas, lehiben’ny tetikasa EISA tamin’ny fanokafana omaly, fa manana andraikitra lehibe amin’ny fampivoarana ara-demokratika sy fanatsarana ny zava-misy eto amin’ny Firenena ny Loholona, ary hitondra tombony tokoa sy fampandrosoana ho an’ny Antenimierandoholona izany. Vina hoentina amin’izao atrikasa izao ny hisian’ny fiahiam-panjakana demokratika, ny fanajana ny Zon’olombelona sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena ary ny fiarovana ireo anatina tontolo anjakan’ny fandriampahalemana aty Afrika. Iraka tanterahina amin’izany kosa ny hahatonga lafatra sy hampivelarana ny fifidianana azo antoka, ny hisian’ny demokrasia andraisan’ny daholobe anjara, ny fametrahana kolontsaina manaja ny zon’olombelona sy ny tantsoroka ho an’ireo Andrimpanjakana ary ny hisehoan’ny fiahiam-panjakana ho fanamafisana orina ny demokrasia aty Afrika. Hisy mandritra ity Atrikasa ity ny fifanakalozana eo amin’ireo Loholona sy ny Mpampiofana avy amin’ny EISA Madagascar.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT