Politique

Fampandrosoana an’i Madagasikara Ny mpitondra no sakana, hoy i Tsarahame Edouard


  • Zoma 17 Febroary 2017

Nandalo tao Mahajanga ny mpitarika ny antoko Rodobe Malagasy Fanorenana Ifotony na ny RMFI ny sabotsy lasa teo.

Tsy mahavita ny asany amin’ny fitantanana an’i Madagasikara ireo mpitondra ka tokony hametra-pialana raha ny nambarany. Efa tena marary ny vahoaka Malagasy ary hatrany anaty vilany ny fahantrana, hoy izy ary porofon’izany ny fisondrotan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana. Tokony hametra-pialana ny filoha sy ireo mpiara-miasa aminy, hoy hatrany Pasitera Tsarahame Edouard fa mila olom-baovao i Madagasikara. Nambarany fa ny firaisamonim-pirenena no fositra mamotika sy mamitaka ny Malagasy ka mahatonga izao fahantrana lalina izao. Laviny tanteraka ny fanjakazakan’ny vahiny eto Madagasikara. Tsikaritra fa efa mirona sy mifantoka amin’ny fitadiavan-tseza avokoa ireo mpanao politika amin’izao fotoana izao ary efa manao fampielezan-kevitra amin’ny fomba samihafa. Tafiditra amin’izany ny fitetezam-paritra sy ny famoriana olona izay anisan’ny be mpanao tokoa ao Mahajanga. Tsikaritra ihany koa fa misy endrik’olona maromaro, olon-tsotra, ahitana azy avokoa ireo fivoriana politika rehetra.

 

Vahaniaina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT