Politique

Fampandrosoana an’i Madagasikara Mila mpanam-bola tia tanindrazana


  • Sabotsy 10 Septambra 2016

Voasokajy ho firenena mahatra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Mila ovana ny resaka fitsinjaram-pahefana sy ny fampiasam-bola.

Mivangongo any amin’ny fanjakana foibe ny fitantanana ka zary rafitra mipetraka fotsiny ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaominina sy fokontany. Miainga avy any ifotony anefa ny fampandrosoana. Tamin’ny fitondran’Atoa Marc Ravalomanana no tena nipetraka io fomba fiasa io. Nofanina ny Ben’ny tanàna sy ny sefom-pokontany mba ho tena tompon’andraikitra ary nifaninana ny fampandrosoana ka nampiakatra ny harin-karem-pirenena. Nanome vahana ny fampiasam-bola teto an-tanindrazana tamin’ny sehatra maro toy ny fanodinana ronono, ny famokarana lafarinina, ny fanamboaran-dalàna  tenany tamin’ny asa fandraharahana ka niroborobo vetivety ary niteraka asa an’aliny. Vaky vava mihitsy Atoa Manandafy Rakotonirina tamin’ny taona 2002 hoe: “Mandroso isika raha misy Ravalomanana kely be dia be”. Hita ho diso hevitra ireo mpanam-bola eto amintsika izay misafidy ny hitahiry ny volany any ivelany. Mila tia ny tanindrazany ny mpandraharaha ka hanabe voho ny an’ny tena amin’ny alalan’ny fanitarana ny zavatra atao amina sehatra maro mba ho asa ho an’ny malagasy. Tsy mena-mitaha amin’ny vazaha ny mpandraharaha eto Madagasikara ary sahy mifaninana saingy malaina ny hampiasa ny volany eto ka ny an’ny firenen-kafa efa mandroso ihany no tovanana. Ny mpandraharaha sy mpanefoefo any ivelany toa an-dry Bill Gates anefa dia tsy misalasala mamafy ny volany ao amin’ny fireneny amin’ny sehatra maro toy ny fikarohana ara-teknolojia izay miteraka asa an’aliny avy eo. Ny asa misokatra, ny vola mihodina ary ny harin-karem-pirenena mitombo. I Rwanda izay firenena  efa avy rotiky ny ady an-trano ny taona 1994 dia nanome vahana ny mpandraharaha tao aminy ka nohamoraina ny dingana ara-panjakana amin’ny fahafahana manangana asa sy orinasa, ny fampirisihana ny fampiroboroboana teknolojia, ny fampanjakana ny kolontsaina ahitam-bokatra ka 20 taona monja dia tafarina.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT