Politique

Fampandosirana an’i Claudine A&C Olona ambony maro tokony hosamborina


  • Talata 18 Aprily 2017

Olona ambony maro eto amin’ny firenena no ahiana ho tompon’antoka tamin’ny fampandosirana an’i Claudine Razaimamonjy.


 
Na mety ho vita ihany aza ny mamerina azy eto an-tanindrazana, dia tsy tokony ho afa-maina ireo niara-nikotrika iny fampitsoahana ny olona efa namoahana didy fampidirana am-ponja vonjimaika iny. Efa nilaza rahateo ny teo anivon’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) fa fitsoahana efa voaomana no niseho, izay midika fa nisy ny fandikan-dalàna. Nisy ny didy fandrarana azy tsy hivoaka an’i Madagasikara in-droa misesy. Ny tena loza dia taratasy avy tamin’ny mpitsabon’ny hopitaly miaramila teny Soavinandriana (HOMI) no naseho teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato raha teny amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha no nampidirana ity vehivavy ity hotsaboina. Tompon’andraiki-panjakana ambony maro ao anatin’ny fitondrana no voatonona ho tao ambadiky ny fampitsoahana azy, ka anisan’ny niverimberina ny anaran’ny praminisitra Solonandrana Mahafaly Olivier, ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza, ny minisitry ny fahasalamana Mamy Lalatiana Andriamanarivo, ny minisi-panjakana misahana ny fiompiana sy ny fambolena Rivo Rakotovao, izay nilaza mihitsy tany Toamasina fa vonona hiady ho an’i Claudine Razaimamonjy satria nahavita be tao anatin’ny HVM izy… Tokony hisokatra ny fanadihadiana, ka rehefa hita sy voaporofo fa nisy ny firaisana tsikombakomba dia hampiharina ny lalàna, raha tena misy marina ilay hoe fampanjakana ny tany tan-dalàna, izay tsy tokony hatao resaka fotsiny, fa tena hampiharina araka ny tokony ho izy.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT