Politique

Fampanantenan’i Andry Rajoelina Sinoa no antenaina hamatsy vola ireo kianja filalaovana


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010


Taorian’ireo fitetezam-paritra nataon’ny filohan’ny FAT dia mitodika mafy any amin’ny Sinoa izy ireo amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao mantsy dia ry zareo Sinoa no hotambatambazana hanome vola hanaovana ireo kianja filalaovana baolina izay nampanantenaina tetsy sy teroa. Tsy misy ny vola hanaovana azy ireny saingy noho ny hambom-po politika dia notenenina. Hatramin’ny fitaovana ilaina amin’ireo kianja, eny fa na hatramin’ny baolina aza dia ny Sinoa no andrandraina. Raha izay dia mazava fa misy ny fifanarahana nifanaovan’ny FAT sy ry zareo sinoa ho tambin’ny fanaovana ireny kianja ireny. Ireo harena ankibon’ny tany misy eto amintsika no fantatra fa ho takalon’izany. Mandeha ny feo fa anisan’izany ny any Sakaraha. Tsy azo kitihina mihitsy ity fitrandrahana solika any an-toerana ity ary tsy azo arahi-maso na inona na inona trandrahan’izy ireo ao ambanin’ny tany ao. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa omena tombondahiny manokana ny teratany sinoa rehetra eto Madagasikara. Anisan’izany ny fandefasana azy ireny mody raha toa ka misy ny hadisoany fa tsy azo gadraina. Dia mba aiza ny Malagasy ? 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT