Politique

Fampanantenan’i Andry Rajoelina : Fito volana niandrasana ny mpitatitra ao Toamasina


  • Zoma 26 Febroary 2010

Nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, tao Toamasina ny volana jona 2009, dia nanome toromarika ireo mpitatitra manao zotra rejionaly sy nasionaly ny tenany mba hampidina ny saran-dalana, fa hisy fanampiana ho azo eo amin’ny fividianana solika ho tambin’izany. Fito volana aty aoriana anefa, tsy mbola tanteraka ilay fampanantenana.

 

Raha iverenana ny tantara, nisy ny kabary lehibe nataon’i Andry Rajoelina teo anoloan’ny Lapan’ny Faritra Atsinanana, nandritra ny fitsidihana voalohany nataony tao Toamasina ny taona lasa iny. Nambarany ho ren-tany sy ho ren-danitra fa lafo loatra ny saran-dalana, ka nanaingany ny mpitatitra hampidina izany ho fitsinjovana ny mponina sy ny mpandeha. Nampanantena izy fa hisy ny fanampiana omen’ny Fanjakana ny mpitatitra. Nisy ny fidinan’ny saran-dalana tamin’izay ho an’ny zotra rejionaly sy nasionaly, ka raha ny zotra mianavaratra fotsiny dia nampidinina ho 8.000Ar ny saran-dalana mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vavatenina raha 10.000Ar. Nampidinina ho 5.000Ar ny hatrao Fenoarivo Atsinanana raha 6.000Ar izany teo aloha, ary 4.000Ar ny hatreo Mahavelona raha 5.000Ar teo aloha. Tonga ihany anefa ny taona 2010 fa na ariary aza tsy mbola naharay ny tambiny nampanantenaina azy ireo mpitatitra ao Toamasina. Mahare anefa izy ireo fa mahazo tsy tapaka ny anjarany ny eto Antananarivo, ka 600.000 Ar isam-bola izany ho an’ny zotra an-tanàn-dehibe sy zotra rejionaly Analamanga.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT