Politique

Famotsoran-keloka Hiandrasana olom-boafidy


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Araka ny filazan’i Jaona Ralison, filohan’ny vaomiera momba ny fampihavanam-pirenena ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) dia vao manomboka ny asa mihitsy ny parlemanta amin’izao fotoana, tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny birao maharitra, ny findrafetana ny fitsipika anatiny ary ny famolavolana izay tena laharam-pahamehana amin’ny fandaharam-potoana tsy maintsy hodinihana sy hiadiana hevitra.

Nomarihany ihany koa fa tsy mbola tonga eny amin’ny parlemanta hatramin’izao ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, izay tokony ho ny governemanta no manolotra azy. I Jaona Ralison ihany koa dia nilaza fa zavatra mila fandinihana tsara ary manaraka antanatohatra maro ny fampihavanam-pirenena sy ny fandaniana izany famotsoran-keloka izany. Ho an-dRaharinaivo filohan’ny Kongresin’ny tetezamita kosa, dia mila miresaka tsara aloha ireo ankolafy politika satria misy ampahany betsaka mifototra amin’ny fanapahan-kevitra politika ny famoahana ny famotsoran-keloka, ka rehefa hita io marimaritra iraisana amin’ny mpanao politika rehetra voakasiky ny krizy nifandimby teto io, vao tokony handinika ilay volavolan-dalàna ny Kongresin’ny tetezamita. Ho an’i Laurent Ramaroson, AVI, dia tsy olom-boafidy fa notendrena ny mpikambana amin’ny Parlemanta ireo, noho izay tsy mahasolo vahoaka ary tsy afaka hilaza fa mpitondra tenin’ny vahoaka, koa raha misy fandinihana famotsoran-keloka dia solontena voafidim-bahoaka no tokony handinika izany, araka ny heviny.

Hita taratra avy amin’ireo fanehoan-kevitra roa ireo fa tahaka ny mbola ho ela ihany fa tsy ho amin’ity taona ity no handinihana ity resaka «amnistie» ity satria tena mbola maro izany ny dingana tsy maintsy lalovana vao tafapetraka eny Tsimbazaza sy Anosikely ilay izy. Tsara homarihana ihany koa fa mahakasika ny raharaha 2001 ka hatramin’ny 2008 no hahazo ny famotsoran-keloka misy sivana, araka ny tapaky ny maro an’isa amin’ny mpizaika teny Ivato nandritra ilay fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra 2010. Efa niteraka adihevitra be izy io, satria maro tamin’ireo olona voakasik’izany mivantana no tsy mankasitraka ny fehin-kevitra navoaka satria tamin’izy ireo dia tsy ara-dalàna ary hafahafa ihany ny fifidianana natao teny Ivato. Maro koa anefa no nanantena fa laharam-pahamehana ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny CST sy ny CT ny fandinihana ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena. Tsy tahaka izany anefa ny zava-mitranga ankehitriny rehefa tena tafatsangana ireo andrim-panjakana ireo, satria mbola sahiran-tsaina amin’ny fifandaminana anatiny sy ny fiadivana ny tombontsoany ireo olom-boatendry. Roa herinandro tokoa mantsy izay no dify, kanefa tsy mbola nisy na volavolan-dalàna iray aza nodinihana sy niadiana hevitra teny Tsimbazaza sy Anosikely fa ady seza no tena nandaniana ny fotoam-pivoriana, ny tambinkarama amin’io mitomboka ihany.
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT