Mahatsikaritra fandikan-dalàna maro izay voasokajy ho anisan’ny heloka fototra amin’ny sehatry ny famotsiam-bola ny SAMIFIN.
Anisan’ireny ny fanaovan’ny mpandraharaha “faux bilan”, izany hoe fanambaran-ketra hosoka mba hialana amin’ny fandoavan-ketra. Raha ny nambaran-dRazaranaina Jean Claude, Tale jeneralin’ny SAMIFIN dia saika misy hosoka ara-ketra avokoa ny ankamaroan’ireo antontan-taratasy narahan’ity sampandraharaha ity maso sy nanaovany fanadihadiana. Fandikan-dalàna mateti-pitranga koa ny famoahana vola mankany ivelany tsy nampandalovina ny banky akory. Mametraka mazava anefa ny lalàna mifehy ny SAMIFIN fa tsy maintsy mandalo eo anivon’ny banky ny vola entina mankany ivelany mihoatra ny enina tapitrisa ariary.
Manadihady sy manenjika ny mpandika lalàna amin’ny sehatry ny famotsiam-bola ihany anefa no asan’ny SAMIFIN fa an’ny fitsarana kosa ny fanenjehana azy ireny. Araka izany, nampivory ireo manampahefana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny hetra, ny tahirim-bolam-panjakana, ny fadintseranana ary koa ny fampanoavana sy ny ministeran’ny fitsarana ny Tale jeneralin’ny SAMIFIN omaly hampahafantatra azy ireo ny fisian’ireo tranga ireo ka handraisan’ireo farany andraikitra araka izay tandrify azy avy. Tsy afaka ny manasazy avy hatrany anefa ny fanjakana momba ilay famoahana vola any ivelany noho ny fifanoheran’ny lalàna misy eto amintsika. Raha sokajian’ny SAMIFIN ho famotsiam-bola mantsy ny fitondrana vola mihoatra ny enina tapitrisa mivoaka any ivelany dia mamela malalaka izany kosa na ohatrinona ny sandany ny lalàna mifehy ny vola vahiny, araka ny nambaran-dRazaranaina Jean Claude taorian’ny dinik’asa. Tsy maintsy arindra, araka izany, ny fampiharana ireo lalàna ireo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.