Politique

Famontsoran-keloka Be no voafitaka


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010

Hatairana ny an’ireo sesitany tamin’ny krizy 2002 raha nahita ny tatitra voarakitra ao amin’ny fehin-kevitry ny fikaonandoham-pirenena.

Raha ny fahitan’ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile azy, izay anisan’ny nandray anjara tamin’ny fikaonandoham-pirenena, dia niova ny tatitra momba ny famotsoran-keloka izay lasa misy sivana raha famotsoran-keloka faobe no neken’ny besinimaro .

 “Lany teo anivon’ny asam-baomiera fa famotsoran-keloka faobe no omena ireo voakasiky ny raharaha 2002 ka hatramin’ny 2008 ary mbola neken’ny maro an’isa tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana koa izany tamin’ny fivoriana iarahan’ny rehetra. Nahazo vato 1491 tamin’ny mpifidy 2000 teo ho eo io famotsoran-keloka faobe io. Niato ny tsangan-tanana avy eo rehefa nisy ny savorovoro nateraky ny resaka volavolan-dalàna momba ny fifandraisana saingy notohizana kosa anefa izany rehefa niverina ny filaminana. Maro an’isa indray no nankato fa ny famotsoran-keloka misy sivana no atao amin’ny vanimpotoana 2002-2010. Ny mahagaga anefa dia tsy voalaza ao anatin’ny tatitra mihitsy ilay famotsoran-keloka faobe izay efa lany teo aloha”, hoy hatrany ity jeneraly, ministra tamin’ny andron’ny Amiraly ity. Ny capitaine vaisseau Victor izay nigadra teny Tsiafahy noho ny raharaha 2002 kosa tetsy andaniny dia nanamarika fa samy tokony handraisana fanapahan-kevitra manokana ireo rehetra voakasik’iny krizy 2002 iny. “Fantatra tsara izao ireo mpanome baiko nahatonga anay higadra kanefa avela malalaka izy ireny. Tokony hitovy ny fepetra raisina amin’ny 2 tonta fa izay no miteraka ny tsy maty manota”, hoy hatrany izy.
 
Mihevitra hampiantso fivoriambe iarahana amin’ireo voafonja sy sesitany tamin’ny 2002 izy ireto handinihana izay fanapahan-kevitra horaisina manoloana ity ambarany fa “famadihana” ny tatitra ity.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT