Mazava ny tenin’ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa manoloana ny fitakiana ny hamoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika, fa «tsy maintsy miandry ny fanapahan’ny Parlemanta izany».
Tsy maintsy ankatoavin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary avadika ho lalàmpanorenan’ny tetezamita ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011 vao tena manan-kery. Misy, hoy ihany Rtoa minisitra ny dingana tsy maintsy arahana amin’ny famoahana gadra politika. Na io teny hoe gadra politika io aza dia hafahafa ihany, araka ny fahitany azy. Tsy voafaritra ao amin’ny lalàna mantsy ny heloka politika, araka ny fanazavan’ny minisitry ny fitsarana ihany. Ny zava-misy kosa dia mety misy mpanao politika nahavita heloka ka henjehin’ny lalàna dia miditra am-ponja. Na ao anatina vanim-potoana mampisavorovoro ny tontolo politika no misy olona voaheloka sy migadra, dia ireo no lazaina fa gadra politika. Ny akoho no tsy nanidina dia noho izy tsy nahandry ny andro zoma, hoy Rtoa Razanamahasoa Christine ka tokony hahay miandry ireo manana namana na havana any am-ponja satria ny Parlemanta no hametraka ny fepetra sy lalàna hahafahana mamoaka ireo gadra politika fa mampihatra azy fotsiny ny fitsarana. Etsy ankilan’izay anefa dia manizingizina ny fianakavian’ireo voafonja izay nitokona sy nilanja sorabaventy manoloana ny ministeran’ny fitsarana teny Faravohitra omaly alatsinainy 05 desambra fa mila avoaka tsy misy hatak’andro ny havan’izy ireo mba hisian’ny tena fitoniana marina. Afaka namoaka ireo gadra politika tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana vantany vao tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2009 Atoa Andry Rajoelina, hoy izy ireo, koa nahoana moa no tsy hahavita izany ankehitriny.
Ho eny Mahazoarivo
Nahitsy ny tenin’Atoa Ianonjafy Marcellin avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert, nilaza fa tsy manaja ny tondrozotra ary tsy manaja ny vahoaka malagasy ny FAT amin’izao fanaovany be marenina amin’ny famoahana ny gadra politika izao. Mbola lohahevitra mafampana, araka izany, ity famoahana ny gadra politika ity, eo ihany koa ny fodian’ireo sesitany politika indrindra fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Samy manana ny fomba fijeriny ny fampiharana ny tondrozotra mantsy ny tsirairay avy. Ny mahagaga sy mahatalanjona kosa anefa dia nahoana no voatendry ny praiminisitra sy ny minisitra fa tsy niandry ny fankatoavan’ny Parlemanta ny tondrozotra izany ? Nahoana no rehefa momba ny gadra politika dia hafa ny resaka ? Efa mazava anefa fa nofinofy izany fitoniana izany raha mbola any am-ponja ireo olona nosamborina noho ny tondro molotra sy ny fankahalana ary ny resaka politika. Tsy tokony ho hadinon’ny mpitondra fa anisan’ny nanafaingana ny firodanan’ny fitondrana teo aloha ny mbola nisian’ny sesitany sy gadra politika. Fantatra moa fa hihaona ka hanao tatitra amin’ny praiminisitra Beriziky eny Mahazoarivo ny fianakavian’ireo gadra politika anio maraina amin’ny 10 ora. Misy ny resaka mandeha fa dia tadiavina hafindra toerana ireo miaramila voafonja noho ny raharaha politika, eo koa ireo sivily sasany. Tsy tokony hilana filankevitry ny minisitra na governemanta na koa fandrirarirana ny famoahana tsy misy fepetra ireo olona ireo, hoy ny Magro omaly. Izany no nandraisan’ireo solontena ny fanapahan-kevitra fa tsy an-kiandry intsony, hoy izy ireo ary tsy misy intsony koa ny andraso andraso.
RTT sy Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.