Politique

Famoaham-baovao Tsy manaja ny “présomption d’innocence”


  • Zoma 08 Febroary 2013

Saropady ny asa fanaovan-gazety. Misy ny mpanao gazety matihanina amin’ny asany saingy ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay mamarara.

 Misy mantsy ny sasany no tsy mahafehy ny fitsipika mifehy ny asa na tsy miraharaha tsotra izao ny etika mifehy ny asa. Vay efa naharary hatrizay io saingy mbola mitohy hatramin’izao tetezamita izao satria na ny fampahalalam-baovao akaikin’ny mpitondra aza manao. Tranga mateti-piseho amin’ny gazety ny tsy fanajana ny “présomption d’innocence”. Raha vao misy vaovao momba ny trangam-piarahamonina mety mahasarika ny mpamaky dia avoaka avy hatrany tsy misy fanamarinana akory indraindray fa miantehitra amin’izay ambaran’ilay mpanome vaovao fotsiny.

Eo anivon’ny fitsarana no tena fisehon’izay matetika. Vao ny fanadihadiana fotsiny no vita dia efa mivoaka an-gazety ny anarana sy ny sarin’ilay olona voarohirohy. Tsy mbola nandalo fitsarana akory anefa ny raharaha izany hoe tsy misy didy manasazy ilay voampanga. Tsy azo lavina koa anefa ny fisian’ny kolikoly avo lenta amin’ny alalan’ny fakana vola be amin’olona iray lazaina fa ananana dosie mba tsy hanapenam-bava. Rehefa tsy manaiky manome ireny olona ireny dia alaim-baraka amin’ny gazety na mitombina na tsia ilay fanenjehena azy.

 
 Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT