Politique

Famitana ny lisi-pifidianana ara-potoana Miankina amin’ny fahazoana ny fitaovana nampanantenaina


  • Talata 12 Jolay 2011

Miditra an-tsehatra amin’ny fanomezan-tanana ny CENI ny fitondrana amin’ny fanomanana ny fifidianana.

 Nisy, omaly, ny atrikasa niarahany tamin’ny tomponandraikitry ny faritra Analamanga hamantarana ny olana sedrain’ny sampan’ny CENI eny anivon’ny distrika na CED miisa 13, ahafahana manampy azy ireo. Fantatra nandritra izany fa ny fahateren’ny birao iasan’ny CED sy ny CID (ivontoerana informatika) sy ny fahatapahan’ny herinaratra amin’ny 5 ora hariva no sakana ho an’ny distrikan’Antananarivo voalohany, faharoa, fahatelo ary fahefatra. Tsy manana birao fiasana kosa ny CED ao Antananarivo fahadimy ka ny tranon’ny filohany no voatery indramina. Olana iraisan’ny CED ao Atsimondrano, Avaradrano ary Ankazobe ny fitambaran’ny kaontera amin’ny distrika. Ankoatra izay dia mila solosaina iray koa ny CID ao Ankazobe. Mitaky fiara hanangonana ny FRE na ny taratasy fanisam-bahoaka nozaraina isan-tokantrano ho an’ny ditrikan’Atsimondrano, Avaradrano koa ny tomponandraikitra izay nilaza fa sarotra sady mandany fotoana ny fivezivezena amin’ireo Kaominina lavitra. Nitondra vahaolana avy hatrany ny faritra Analamanga izay nanolotra solosaina 10 miampy fiara tsy mataho-dalana iray ary mbola hiantoka ny solika koa.

Nambaran’ny lehiben’ny Faritra, Andriambololona Mananjara fa raharaham-bahoaka sy raharaham-panjakana ny fifidianana ka rariny raha manome tosika ny faritra mba hahatomombana azy. Niaro mafy ny fahaleovantenan’ny rafitra tantaniny kosa ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana. Nilaza ity farany fa rariny ny fanomezan-tanan’ny fanjakana amin’izao fanomanana ny fifidianana izao no sady tsy afaka hamita ny asany ny Ceni raha tsy omena ny fitaovana ilainy. Tsy azo ekena kosa anefa, hoy izy ny fitsabahana amin’ny kirakiram-pifidianana izay andraikitry ny CENI samirery. Mihevitra ny CENI foibe fa tokony ho tratra ny famaranana ny lisi-pifidianana amin’ny 31 jolay izao araka ny baikon’ny filohan’ny FAT raha tonga ara-potoana ireo fanampiana nampanantenaina. Tsy ny CENI teto Analamanga ihany moa no nanatanteraka atrikasa niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny faritra omaly fa ny renivohi-paritra rehetra.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT