Mizotra mankany amin’ny Ni… Ni… Ni… sy fametrahana ahy ny resaka, hoy ny Pasitera Mailhol, raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety nihaona taminy izy omaly.
Tsy izaho anefa no mivoy izany mizotra mankany izany, hoy izy, fa ireo mpanao polika niantso ahy taorian’ilay fanambaran’i Andry Rajoelina. Mbola misy tsy mahazo foana ity hoe Mailhol apetraka ity, hoy izy, ka hazavaiko indray fa ny filoha Tsiranana anie ka napetraka no naha-teo azy voalohany ê ! Tahaka izany koa ny jeneraly Ramanantsoa, ny kolonely Ratsimandrava, ny jeneraly Andriamahazo, ny kapiteny de fregatte Didier Ratsiraka, Ratsirahonana Norbert Lala, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina ary dia izaho izany no manaraka apetraka izao. Ny an-dRajoelina dia hoe izy no hamarana ny tetezamita fa ny faminaniana tsy izay, hoy ny filoha mpanorina ny Apokalypsy ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.