Ankoatra ny Mondial atsy Afrika Atsimo izay hanomboka amin’ny fomba ofisialy anio, dia vaovao anisan’ny hisarika ny sain’ny Malagasy maro ny hitranga ao Manakara anio, amin’ny resaka fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny delegasiona manokana tarihin’i Sileny Alban.
Nisy teny mita, natao “message radio” laharana 184-MinInter/CAB ny 10 jona 2010 nasehon’ny talen’ny kabinetran’ny minisitera ary nankatoavin’ny minisitry ny Atitany, Jean, nampahafantarina ny zandary sy polisy ao Manakara, nalefa any amin’ny Lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ny lehiben’ny Distrika Manakara ary ny filoha sy ny mpikambana ao amin’ny delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitra Manakara milaza fa foana ary ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fametrahana amin’ny toerany ny lanonana fametrahana amin’ny toerany ny filoha sy ny delegasiona manokana. Tsy misy lanonana azo tanterahina mikasika izany ao Manakara anio zoma 11 jona. Ny nivoahan’io teny mita io no ela dia naato avokoa ny dokambarotra tamin’ny haino aman-jery tao Manakara mivoy io fametrahana PDS io. Nitsaha-niketrika toa sosoa voatapo-drano ny PDS sy ny ekipany teo anatrehan’izany. I Marson Evariste no nampiaka-peo. Efa any an-toerana hatramin’ny alarobia hanome voninahitra ny fametrahana ny PDS ity mpikambana amin’ny FAT ity. Tsy misy lalàna milaza fa anaovana lanonana ofisialy ny fametrahana PDS. Nambarany rahateo fa mpahay lalàna ny tenany. Raharaha tokantranon’ny delegasiona manokana izany, hoy ihany ity depioten’i Vohipeno taloha ity fa tsy zon’ny Minisiteran’ny Atitany ny mitsabaka amin’io. Manizingizina i Marson Evariste teo anatrehan’izany fa tsy maintsy hotanterahina ity lanonana fametrahana PDS ao Manakara ity anio, satria efa vonona avokoa ny rehetra manodidina izany, sy tsy hampalahelo ny mpomba ny PDS ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.