Politique

Famerenana ny Tsenan’Anjoma Misy ambadika politika


  • Zoma 24 Septambra 2010

Fanapahan-kevitra noraisin’ny Pds-n’Antananarivo niaraka tamin’ireo delegen’ny tsena mivondrona ao amin’ny FIDEMAR nandritra ny atrikasa niarahan’izy ireo nanatontosa ny 20 sy 21 septambra lasa teo ny famerenana ny tsenan’Anjoma.

Famerenana ny hasin’ny Tsenan-Anjoma izay nambaran-dRandrianirina Paulson, filohan’ny FIDEMAR fa vakoka iraisam-pirenena nampalaza an’Iarivo fahizay no hatao. Tsena ankalamanjana midadasika indrindra tokoa mantsy ny tsenan’Anjoma tamin’izany fotoana. Araka ny fantatra dia nankinin’ny tompon’andraikitry ny tanànan’ Antananarivo amin’ity fikambanana ity ny fandaminana momba ity tetikasa ity. Hisy indrindra ato ho ato ny tolobidy hataon’ny FIDEMAR raha ny fanazavan’ny filohany ihany. Hatramin’izao aloha dia mbola mifono mistery ny tetikasa satria tsy fantatra ny toerana hasiana ilay tsena, ny isan’ny mpivarotra homena toerana ary ireo hampidirina ao. Raha nanontaniana Randrianirina Paulson dia nanambara ny tenany fa mbola hisy ny fifampidinihana amin’ny samy mpivarotra sy ny mpitatitra mialoha ny hanapahan-kevitra momba ny toerana hasiana ny Tsenan’Anjoma mba tsy hanohintohina ny fifamoivoizana ilay tetikasa.

Momba ny fitsinjarana toerana indray dia nolazainy fa ireo mpivarotra tsy manan-toerana no hapetraka ao. «Hisy ny fanisana ireo mpivarotra tsy manan-toerana rehetra na ara-dalàna na tsia izay samy ezahana samy hahazo ny anjarany”. Fanontaniana tsy mbola nahazoam-baliny koa anefa ny momba ny karazana tsena hamidy ao sy hisokafany. Maro no tsy mankasitraka ity tetikasan’ny Kaominina izay mihevitra fa fiverenan-dalana amin’ny fampandrosoana efa natao izany. Iaraha-mahalala tokoa amin’izao fotoana fa ikohizana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Analakely sy Soarano ankoatra ny harom-paosy miampy fanendahana amin’ny andro antoandro be nanahary. Hanao ahoana ny fahasahiranan’ny mponina raha tafapetraka tokoa io tetikasa io. Misy koa olom-pirenena sasany mihevitra fa fanambatambazana ny mpivarotra io kasain’ny PDS hatao io satria manana vina hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ny tenany.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT