Vanim-potoana anisan’ny hanononana sy hiresahana matetika ny “fitiavan-tanindrazana” ny fanamarihana ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947, izay feno 70 taona katroka omaly alarobia.
Lohahevitra nentina nanamarihana azy tamin’ity taona ity ny hoe “mba hiampita ny fanilo ary ny lasa tsy fanadino”. Toa zary fombafomba tsy lefin’ny taona maro nifandimby no misy fa raha izay fanilo nampitain’ireo raiamandreny nitolona fahiny, dia efa ela no maty sy nohitsakitsahina tanteraka. Raha ny fanateram-boninkazo no nanova zavatra, efa firenena niadam-pinaritra isika amin’izao fotoana. Tsy fanateram-boninkazo halazo sy hihintsana ao anatin’ny andro vitsy toy ny ataon’ny mpitondra ankehitriny no hanehoana sy hireharehana fa tia tanindrazana ary manome voninahitra ireo namoy ny ainy isika. Firenena tsara tantana lavitry ny kolikoly, vahoaka voafehin’ny lalàna fa tsy manao izay tian-katao, olom-panjakana mendrika fa tsy mpanao afera sy malaza ratsy toy ny misy ankehitriny. Na ny fanajana sy ny fanomezam-boninahitra ireo akanga sisa nanamborana aza toa sarintsariny hatrany fa mbola ny mpitondra no miedinedina amin’izato fihetsika feno fieboeboana manoloana ireo raiamandreny tokony hololoavina an-tampon’ny loha. Ireto farany indray no mandadilady isan-taona mangataka tombontsoa kely amin’ny mpitondra. Nafonja ny kabarin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Xavier Beni R tany Moramanga omaly. Fahavalo iadiantsika amin’izao fotoana, hoy izy, ny fampirafesana ny samy malagasy, ny fahantrana, ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana ary ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Tsy hisafidianana tavan’olona ny ady ary tokony hifanome tanana hamongotra ireo isika. Nanome hafatra ho an’ny olona tsirairay sy ny sokajin’asa aman’andraikitra misy eto amin’ny firenena izy mba hahay hifanabe sy hifanampy ary hifananatra. Ny manampahefana, ny mpitondra, ny mpanao politika ihany anefa no manome ohatra ratsy ho an’ny vahoaka ka mahatonga ny fiarahamonina Malagasy mikorotan-dava. Betsaka ny vina, tsy tambo isaina ny fandaharanasa efa nandalo teto fa ny fanatanterahana sy ny fanaraha-maso no tsy misy ary tena latsaka ambany be ny finiavana sy fahazotoana. Aoka tsy hifampiesona sy hifampihatsaravelatsihy fa ny mpitondra sy mpitantana aloha no mila manova fihetsika izay vao hanome lesona ny vahoaka !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.