Politique

Famahana ny krizy Tsy nanaraka lasitra ny teto Madagasikara


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

Ny fomba hitondrana ny dinika eo amin’ny samy Malagasy hamahana ny olana eto amin’ny firenena no lohahevitra niompanan’ny atrikasa niarahan’ireo Olompirenena mahatsapa fa mikatso ny raharaham-pirenena ka miezaka mitady vahaolana.

 Nandritry ny atrikasa no nanazavana ny momba ny lasitra fampiasa eran-tany amin’ny famahana krizy toy izay misy eto amintsika. Eo ohatra ny antsoina «arbitrage», ny «médiation», ny «bons offices» ary ny «conciliation» na fampihavanana. Nahatsapa àry ireo mpivory fa tsy nisy nanaraka an’ireo lasitra ireo ny famahana ny krizy teto Madagasikara ary niara-niaiky ny rehetra fa ny «conciliation” na ny fampihavanana no azo heverina fa mety hitondrana ny dinika eo amin’ny samy Malagasy hamahana ny olana misy eto amin’ny firenena. Mila fiomanana mialoha anefa izany fampihavanana izany. Mila fantarina, ohatra, iza no ho mpisoron’afo amin’ny dinika rehetra hatao ka sady ho mpampihavana izy no mpamaha olana ; eo koa ireo hantsoina amin’izany fampihavanana izany ka mitaky fiomanana mialoha ho an’ny mpikatroka rehetra. Eo ihany ny ‘Force exécutoire’ hampahomby ny dinika. Anisan’ny soso-kevitra nivoaka nandritra ity dinika ity koa ny tokony hiantsoana ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireo haino aman-jery sy gazety rehetra amin’ny maha olompirenena sy mpanabe azy ireo. Nifanaraka moa ireo mpizaika fa hitohy ny alakamisy 11 aogositra ho avy izao ny atrikasa ary lohahevitra hafa indray no hodinihina amin’izany. Teny amin’ny foibe Katolika Md Joany Faravohitra moa no nanatontosana ity atrikasa ity ny alakamisy lasa teo.

 

Nangonin’i Soa

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT