Politique

Famahana ny krizy Tsy azo ihodivirana ny famotsoran-keloka faobe !


  • Alarobia 28 Aprily 2010


Anisan’ireo adihevitra azo antoka fa hafampana any Pretoria ny mikasika ny famotsoran-keloka. Ara-tantara mantsy dia dingana iray tsy azo ialana io raha hanangana goverenemantan’ny fampihavanam-pirenena izany. Ny Firenena Afrikanina moa no tena nahitana matetika izany tranga izany ka na vita sy nekena aza ny fifanarahana ary nosoniavina, dia tsy milamina tanteraka ilay firenena raha tsy notanterahana ny fifamelana ary nampiharina ny famotsoran-keloka. Raha ny tranga taty afrika tato anatin’ny 30 taona no jerena, dia famotsoran-keloka faobe hatrany no nifanekena, fa tsy nisy nanao izany famotsoran-keloka misy fanavahana izany mihitsy. Vao mainka mantsy miteraka korontana ity famotsoran-keloka misy fanavahana ity, satria disadisa politika no nitranga tao amin’ilay firenena ka na nisy aza ny atao hoe fandikan-dalana na heloka bevava dia tsy maintsy vahaolana politika no amahana azy fa tsy resaka fitsarana. Rehefa vita izay rehetra izay vao miverina amin’ny laoniny amin’izay ny fifampidinihana sy ny fifanarahana ary tsy ho sarotra be tahaka ny eo aloha intsony ny fiaraha-miasa eo amin’ireo ankolafy na dia tsy mitovy aza ny firehana. Fehiny, tsy maintsy hifanaraka amin’ny fampiharana ny famotsoran-keloka faobe tsy misy fanavahana ireo ankolafy efatra atsy Pretoria izay vao hiroso amin’ny fitsinjarana ny toerana ao anatin’ilay tetezamita iaraha-mitantana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT