Politique

Famahana ny krizy Roso amin’ny Addis Abeba II


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Hisy ny fivoriana maika hatao any Addis Abeba, ny 8 sy 9 martsa ho avy izao, izay hatrehan’ireo filoha mpitarika ny ankolafy efatra, dia i Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Zafy Albert ary i Andry Rajoelina.

Ity izany, raha raikitra, no fihaonana voalohany eo amin’izy efatra mirahalahy mianaka tamin’ity taona ity saingy faharoa raha ny toerana hanatanterahana azy, dia i Addis Abeba. Ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina izay tarihin’i Jean Ping no nampiantso izao fivoriana izao. Raha ny fahafantarana azy aloha hatreto dia samy vonona amin’izany fivoriana izany ny efa-tonta.

Tsy zavatra hafa fa mifampitohy amin’ny fivoriana sy ny resaka rehetra hatramin’izay no hifantohan’ny dinika any Addis Abeba, izany hoe tsy hivoana amin’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Ity no tena karazana ala nenina farany ataon’ny Groupe International de Contact amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara satria efa ela ihany izay herintaona izay, ary araka ny resaka mandeha aza dia efa misy leo amin’ny fampihavanana antsika mihitsy ny sasany amin’ireo mpanelanelana.

Ny zava-mitranga mantsy matetika dia rehefa mitady hipoitra iny mihitsy ny vahaolana no miverina «zero» indray ny zava-drehetra. Tena mandreraka ny fikarohana ny vahaolana amin’ity krizy Malagasy ity noho izany. Maro no manantena fa hahita ny marimaritra iraisana ary samy hanaiky ny hampihatra izany amin’izay ireo filohan’ny ankolafy efatra satria efa nomena fotoana elaela ihany nandinihana sy nieritreretana. Ao koa anefa no mahita fa tsy hahomby tahaka ny teo aloha rehetra indray ity fihaonana ity, satria tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hananganana tetezamita iaraha-mitantana ny ankolafy Rajoelina fa te hanohy ny lalana samirery.

Tsy ho mora, araka izany, ny adihevitra satria samy manana ny foto-kevitra ijoroany ireo ankolafy efatra. Amin’izao fotoana anefa dia mizara roa izy ireo sisa, ka amin’ny an-kilany ny ankolafy Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy albert dia efa miombon-kevitra amin’ny fampiharana ny satan’i Maputo ; amin’ny an-daniny kosa ny ankolafy Rajoelina manokana dia hita taratra tamin’ny fanapahan-keviny rehetra fa resy lahatra amin’ny fahamarinan’ny zavatra ataony ary manizingizina fa tsy mety amin’izy ireo ny satan’i Maputo. Na izany aza anefa dia toa manaiky ny hivory any Addis Abeba ihany i Andry Rajoelina ka asa indray izay mety hataony any hanasonia ve fa tsy hanaiky hampihatra izany, sa hirintona hivoaka ny efitrano fivoriana ka hanilika ny rihatra any amin’ireo filoha teo aloha telo mirahalahy ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT