Politique

Famahana ny krizy “Nandresy ny marina !”, hoy ny Rodobe Toamasina


  • Alatsinainy 18 Jolay 2011

Nanao hetsika nizarana sy nanazavana ny vaovao farany navoakan’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana (CPS)-n’ny Vondrona Afrikanina ny 12 jolay teo, ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina.

 Mbola naverin’ireo mpitarika ity Rodobe ity fa “matoa izahay mamory vahoaka ilazana ny vaovao, dia noho ny fanakatonam-baravarana ataon’ny TVM sy RNM Toamasina”. Ny sabotsy 16 jolay tolakandro teo no nanaovana ny fihaonana tao amin’ny “L’Univers”, nampahafantarana ireo tonga ny fehin-kevitry ny CPS izay nanamafy ny fehi-kevitry ny SADC tao Sandton Afrika Atsimo ny 12 jona teo. Izay no nahatonga ireo mpitarika ao Toamasina ahitana an’Atoa sy Rtoa isany Mahasahy Chantal, Iandro Robertson, Rabotoson, Kotomanantsoa Remi, Dahy Emilien, Radebason, Richard Davy, Jean Christophe, Solange Patureau, Jean Baptiste ary Rasamimaka Mahefalahy, nilaza fa “nandresy ny marina ary nandresy ny tena tia tanindrazana”.

Niditra an-tariby nivantana nandritra io fihaonana io ny Pr Zafy Albert, izay nanamafy fa “miroso amin’ny fanatanterahana sy fametrahana ny rafitra tetezamita tena izy sy iarahana isika izao. Tokony hajanona ny ady madinika, hiaraka isika mba tena hisy vokatsoa ho an’ny Malagasy ny fitakiana sy ny fametrahana ny fahamarinana ary ny fampihavanam-pirenena”. Ankilan’izay dia fantatra koa izao fa miomana hanangana faritany mahaleotena ny zanaky ny faritany dimy raha tsy misy ny sonia vita momba ilay tondrozotra hasiam-panitsiana mba hivahan’ny olana eto Madagasikara izao ity. Aorian’ny 20 jolay no hanaovan’izy ireo io fanambarana goavana io raha tsy misy sonia vita ka miziriziry hitondra irery ny firenena ny FAT ankehitriny.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT