Politique

Famahana ny krizy Nahemotra ny fivorian’ny GIC


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Nahemotra amin’ny fotoana manaraka indray ny fihaonan’ny GIC momba ny toe-draharaha eto Madagasikara raha tokony hotanterahana ny 29 sy ny 30 oktobra ho avy izao. Ao Addis Abeba renivohitra Etiopianina moa no saika hanatanterahana ity fihaonana ity.

Tsy nisy aloha fanazavana tamin’ny fomba ofisialy nivoaka momba ity fampihemorana ity, fa ny fantatra fotsiny dia mbola eo am-panangonana ny vaovao rehetra manodidina ny zava-misy marina eto Madagasikara amin’izao fotoana ny solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena, ka izay no nahatongavan’ireo Iraka manokana avy any amin’ny Firenena Mikambana izay mivory isan’andro no sady mifanakalo hevitra amin’ireo ankolafin-kery politika maro samihafa, eo ihany koa ny avy ao amin’ny fitondrana tetezamita sy ny fiarahamonim-pirenena. Mety ho noho izany no nahatonga ny GIC hampihemotra indray ny fandinihana ny toe-draharaha eto Madagasikara, satria ivondronan’ireo fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa moa ao anatin’ity Groupe International de Contact ity, ka anisan’ny manana solontena ao ny Firenena Mikambana (ONU).

Araka ny fantatra dia mety hanara-dia ny SADC ihany koa amin’ny tsy fankatoavana ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny GIC. Tsy ny fitsapan-kevi-bahoaka anefa no lavina, fa ny fanaovana azy mirotoroto izay tsy hitondra mihitsy ho any amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena, izany hoe tsy ho vahaolana amin’ny krizy, araka ny resaka mandeha ihany. Araka ny tombantombana dia mety ho amin’ny tapaky ny volana novambra indray vao hotanterahana ity fivorian’ny GIC-M any Addis Abeba ity, izany hoe mety hifanandrify amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT