Tsy dia niova firy tamin’ny heviny ny vondrona SADC, taorian’ny fivoriana tsy ara-potoana notanterahany tany Tanzania farany teo.
Momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara dia nanamafy indray ny SADC fa tokony havela hody an-kalalahana eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana, tokony hapetraka sy hampiharina ihany koa ny famotsoran-keloka, hoy ny SADC mba hahafeno ny fepetra amin’ny fodian’ireo sesitany politika, anisan’ny voakasik’izany ny filoha teo aloha. Ilaina ihany koa, mialoha ny fifidianana ny handrafetana lalàna manome antoka ny sata manokana ho an’ireo filoham-pirenena teo aloha, araka ny fehin-kevitra navoaky ny SADC ihany. Nandroso hevitra ny amin’ny tsy tokony haha kandida an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ihany koa ny SADC, io ilay fironana «ni ….ni» nalaza dia nalaza tato ho ato izay.
Ho an’ny SADC dia tokony hohajaina ny datim-pifidiaana efa nivoaka, ary dia nanentana ireo firenena mpikambana ao aminy ity vondrona ity mba hamatsy vola 10 tapitrisa dolara, hikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy mazava ao anaty fanambarana kosa na arahina fepetra ny fanomezana ilay 10 tapitrisa dolara na homena na milatsaka na tsia Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Tokony hiezaka hampihatra an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra ihany koa ireo nanasonia azy sy ny mpanao politika eto Madagasikara, hoy ihany ny SADC.
Raha dinihana ity fanambarana ity dia nanamafy ny tombantomban’ireo tena maharaka tsara ny raharaha politika eto Madagasikara sy ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mazava eto fa ho an’ny SADC izany dia tokony havela mody an-kalalahana eto ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, omena famotsoran-keloka izy, tsy kandida amin’ny fifidianana ary misitraka ny zony rehetra amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy, tahaka ny amiraly Didier Ratsiraka sy Zafy Albert. Afaka mody izany i Dada, tsy samborina, tsy tsaraina ary tsy gadraina fa kosa tsy milatsaka hofidiana. Nentanin’ny SADC mba handefitra ka tsy hilatsaka hofidiana ihany koa ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, satria efa izay foana ny hevitra nivoaka hoe na miara-milatsaka, na samy tsy milatsaka hofidiana izy mianaka, fototra niaingan’ny krizy ireto.
Hevitry ny Tia Tanindrazana
Miha mazava hatrany ny resaka eto, ary mitombina ny ahiahin’ny maro hoe mirona amin’ny «ni…ni» ny sehatra iraisam-pirenena, ka ny SADC no hiezaka handresy lahatra an’Atoa isany Rajoelina sy Ravalomanana mba tsy ho kandida. Soso-kevitra io, fa tsy misoratra ao anatin’ny tondrozotra, izay efa lalàna tsy maintsy ampiharina.
Maro no mihevitra fa ao ambadik’izao politika avo lenta izao ny Frantsay, tahaka ny hoe atao sorona mihitsy aloha i Andry Rajoelina, ka terena an-kolaka tsy hilatsaka hofidiana, amin’izay mba tsy mirotsaka koa i Marc Ravalomanana. Famotsoran-keloka no omena ity farany, raha ny hevitry ny SADC, izany hoe meloka izy fa fafana ny helony avy eo ary voaaro amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy izy, amin’ny alalan’ilay sata manokana. Efa tany Maputo 1 sy Maputo 2 no nandrenesana izany resaka izany. Fanilihana amin’ny fomba mihaja ireo filoha teo aloha sy fampidirana garazy azy ireo mba tsy handray anjara mivantana intsony amin’ny fitantanana ny firenena izy io. Izay ve anefa no demokrasia lalain’ny SADC sy ataony tsianjery ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.