Politique

Famahana ny krizy, Fanelanelanan’ny SADC Misy politika avo lenta ...


  • Zoma 24 Jona 2011

Efa tena ao anatin’ny fanaovana politika avo lenta mifanaraka amin’ny zava-misy manerana izao tontolo izao ny eto Madagasikara raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy, ary manana anjara andraikitra goavana ao anatin’izany ireo mpanelanelana.

 Tsy misy fomba hafa hahafahana manazava ny fiovaovan-kevitry ny SADC afatsy ny hoe nahazo toromarika maro samihafa ireo mpanelanelana miandraikitra ny famahana ny krizy eto Madagasikara, raha ny fahitan’ny manampahaizana iray momba ny fifandraisana iraisam-pirenena azy. Mazava be, araka ny fanazavany, fa mpanatanteraka fotsiny ihany koa ireo mpanelanelana misalotra ny anaran’ny SADC ireo ary manana lehibe mibaiko any ambadimbadika any.

Tsotra ny tanjona amin’izao sangodim-panina izao raha ny ilazan’ity manampahaizana ity azy dia ny hampilavoana lefona an’i Marc Ravalomanana sy ny hanilihana azy tanteraka tsy handray anjara mivantana na ankolaka amin’ny raharaha politika sy ara-toekarena eto Madagasikara. Efa hatry ny ela no natomboka ny drafitra hampivadihana palitao tsirairay ireo miara-dia taminy, hoy ihany ny fanazavana, ary mbola mitohy izany mandrak’ankehitriny, rehefa tsy misy intsony ny olona matoky an’ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara dia mangina sy foana ho azy ny hetsik’ireo vahoaka manohana azy. Mifanindran-dalana amin’izay dia mikaroka ny fomba rehetra hamotehana an’i Marc Ravalomanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo mpifanandrina aminy, araka ny fanazavan’ity manampahaizana ity ihany ka mitady ny fomba hampijabahana azy hampanaotao foana azy.

Noho izany, tsy tokony hihazakazaka hanasonia ilay sori-dalana mihitsy Atoa Ravalomanana, hoy ihany ny fanazavana, raha tsy tafiditra eto Madagasikara ary dia eto no atao ny sonia eo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena maro be tokoa ny fandrika amin’ny dinika tahaka izao ka izay mailo ihany no tsy tafajabaka, efa maro no mahatsikaritra fa raha manasonia fifanarahana any velany ny filoha Marc Ravalomanana dia ho tavela any, ka hivoaka indray ny fanambarana fanampiny milaza fa toromarika ihany no mivoaka fa tsy fanapahan-kevitra tsy maintsy hotanterahana ka miankina amin’ny fisian’ny fitoniana eto Madagasikara hahafahan’ny filoha teo aloha miverina eto.

 

Azo antoka ato ho ato, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy fa hihazakazaka eny anivon’ny CT sy ny CST ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka ka maro ireo mpanao politika hahazo tombontsoa amin’izany saingy tsy hahazo ny amnistia kosa Atoa Ravalomanana satria efa nampangain’ny fitsarana malagasy fa nampamono olona tamin’ny “7 febroary 2009” sy nanodinkodina volam-panjakana nividianana ny fiaramanidina “Air Force One II”. Raha ny fifanarahana iraisam-pirenena mantsy dia tsy mahazo famotsoran-keloka ny olona nahavita ireo heloka roa ireo. Malalaka ny lalana ho an’ny FAT, araka izany, raha toa ka tsy mahita tetika sy paika hafa ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana Atoa Ravalomanana sy ny Ankolafy telo.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT