Politique

Famadibadihan-dresaka Igagam-bahoaka ny FAT


  • Alarobia 29 Septambra 2010

Ara-bakiteny mihitsy ankehitriny fa dia igagam-bahoaka raha ny mpitondra ity Fahefana Avon’ny Tetezamita ity amin’ny famadibadihan-dresaka sy fivadihana amin’izay nifanarahana ity.

Hafa ny tapaky ny mpizaikan’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato, hafa ny taterin’ny Raiamandreny Mijoro any an-dapa. Mikorontana avokoa ny mpiara-dia amin’ny FAT vokatr’izany sangodim-panina sy ny famadibadihan-dresaka izany. Tapitra mampiaka-peo avokoa na ireo mpanao politika mpiara-dia amin’ny FAT, na ireo sesitany mba niandrandra fiainam-baovao, na ireo mpizaika tsotra amin’ny afitsoky ny mpamadibadi-dresaka. Ny loza dia tsy ny eto an-toerana ihany no lasibatr’io famadibadihan-dresaka io fa hatrany ivelany any. Taorian’ny laza masaka an-gazety sy ny tatitra tamin’ny tranokalam-baovao samihafa ary notaterin’ny radio frantsay milaza fa hanampy an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana fifidianana ry zareo Afrikana Tatsimo dia tsy niandry ela ny valin-kafatra avy any amin-dry Mandela nanitsy ny resaka matavy niniana naely, mitatitra ny fihaonana teny an-dalatsara teo amin’ny ministry ny raharahambahinin’ny FAT, Hippolyte Ramaroson sy ny ministra afrikana tatsimo miadidy ny fiaraha-miasa sy fifandraisana iraisam-pirenena, Rtoa Nkoana-Mashabane nandritra ny fivoriambe faha-65-n’ny Firenena Mikambana tany New York.

Aoka hazava ny resaka hoy ny Afrikana Tatsimo, izay namoaka fanambarana an-gazety mihitsy ny 25 septambra teo, mazava fa fihetsika diplaomatika fotsiny ihany no nataon’ny ministra Nkoana-Mashabane raha nisaotra ny iraky ny FAT tsy nisisika hikabary teny amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana. Ny marina aza dia nanamafy indray, teo anatrehan’ity delegasiona FAT ity, ny sazy izay fanapahan-kevitra noraisin’ny SADC sy ny Firaisambe Afrikana Rtoa ministra na izany aza dia nambarany fa tsy hanasazy ny vahoaka Malagasy loatra ny sazy navoaka fa kosa natao hanafainganana ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna indray, sy hamerenana ny fandriampahalemana eto.

Nanamafy ny ministra Nkoana-Mashabane fa ny sori-dalana efa voasoritra niaraka tamin’ny SADC sy ny Firaisambe Afrikana (Satan’i Maputo sy Tovana tany Addis-Abeba) no hany vahaolana mahomby hivoahana amin’ny krizy misy eto. Nanamafy koa ny ministra Nkoana-Mashabane fa izao fanokafana ny Birao fifandraisan’ny SADC eto Madagasikara izao dia hanamora ny ezaka fanelanelana hikatsahana ny vahoalana hamaranana ny krizy, ka tokony haraharaotina ny fisian’izany eto. Ka iza ihany no manatavy resaka eto, ary inona no tetiny amin’izany ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT