Politique

Fahombiazan’ny fidinana an-dalambe Miankina betsaka amin’ny mpitarika


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Vondron’antoko marobe no milaza amin’izao fotoana izao fa efa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena noho ny afitsok’ireo mpitondra ankehitriny.

Nitsangana avokoa ireo karazan-ketsika politika tetsy sy teroa mba hanavotana ny firenena, hono. Na dia efa ambetin-tenin’izao tontolo izao aza fa tsy maintsy hiteraka krizy vaovao ny fanonganam-panjakana ary heloka eo anatrehan’ny fitsarana iraisam-pirenena rahateo, eto amintsika dia mbola misy tsy menatra ihany ny mitaona ireo vahoaka efa hila ho safotry ny fahantrana noho ny krizy ankehitriny mba hidina an-dalambe ary fototry ny fanentanana atao mihitsy ny hoe andeha hanongam-panjakana. Misy antony matoa ny mpanao politika sokajiana fa mahazaka vahoaka tsy miditra amin’izany fakàna fahefana an-keriny eny an-dalambe izany mihitsy na dia mahita tsy fetezan-draharaha toy ny hafa koa aza. Mbola hatao sorona hatrany tokoa ve ireo vahoaka mpitrongy vao homana sy zara raha mahita izay mba anjara masoandro keliny noho ny sangodim-panina politika ? Tsy mety mahomby ny karazana fidinana an-dalambe hita hatreto satria ilay mpitarika no tsy mbola maharesy lahatra ny olona.


Faralahimatoa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT