Nohamafisin’ny filohan’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) Fanirisoa Ernaivo nandritra ny fivahinianany tao amin’ny onjampeo vahiny «Africa 24»
ny faran’ny herinandro teo fa tsy malalaka ary eo ambany vahohon’ny fahefana mpanatanteraka ny fitsarana Malagasy, indrindra manoloana ireo raharaha goavana mamofompofona kolikoly. Misy, ohatra, ny fanadihadiana arahina fisamborana saingy tsy tontosa hatramin’ny farany toy ny tranga mahavoarohirohy ny mpanolotsaina manokana ny filoham-pirenena Malagasy Claudine Razaimamonjy ankehitriny, araka ny fanamarihany. Marobe moa ireo fandikan-dalàna hanenjehana ity farany sy ireo olona valo (8) hafa tafaporitsaka tsy natolotra ny fitsarana na koa ireo mpiray tsikombakomba tokony hosamborina. Antony ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fanaovana anjorom-bala ny fahefana mpitsara ao anaty Lalàmpanorenana, hoy ny filohan’ny SMM. Vahaolana harosony moa ny fanovana ny lalàna manendry ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny fitsarana ho filoha sy filoha mpanampy ao amin’ny filankevitra ambonin’ny fitsarana ao amin’ny CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature).
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.