Politique

Fahefana Avon’ny Tetezamita Totoafo ny fivoriana


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Tontosa omaly tao amin’ny lapan’Anosikely ny fivoriana fanaon’ireo mpikambana amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita isan-kerinandro.

Nitarika ny fotoam-pivoriana i Mounibou Patrick, Filoha Lefitr’ity andrim-panjakana ity. Nankatoavina ireo lahadinika mandritra ity herinandro ity. Voasoritra ny hitohizan’ny fivoriana anio alarobia 03 martsa hihainoana ny tatitra hoentin’ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny vola sy ny toekarena izay handray ireo mpahay toekarena ny marainan’io andro io. Voaresaka ihany koa ny momba ny hamolavolan’ny mpikambana fomba fijery iombonana izay hatolotra mandritra ny atrikasa hotanterahina eny Ivato manomboka rahampitso.
 

Taorian’izay dia niditra tamin’ny fihainoana ny tatitra nataon’ireo Filoham-baomiera ny mpivory. Ho an’ny vaomieran’ny fifandraisana iraisam-pirenena, dia nangataka ny hanemorana ny fandinihana ireo volavolan-keviny amin’ny herinandro ho avy, satria misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mety hitranga ny 04 sy 05 martsa eny Ivato ny zavatra omanin’izy ireo toy ny fandefasana taratasy manerana izao tontolo izao ho fampahafantarana ny zava-misy eto Madagasikara. Hisy ihany koa ny atrikasa izay hotanterahina ao amin’ny lapan’Anosikely mikasika ny raharaham-pirenena.

Ny Filohan’ny vaomieran’ny raharaha sosialy kosa dia hanasa ny minisitry ny Asam-panjakana sy asa ary ny lalàna sosialy, ary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena hiara-handinika ny fanatanterahana ny fanatsarana ny sosialin’ny mpiasa. Namarana ny tatitra ny Filohan’ny vaomieran’ny fanabeazana sy ny kolontsaina izay nampahafantatra ny dinika nifanaovana tamin’ireo mpandraharaha nanatanteraka ny asa fanamboarana trano fianarana tany amin’ny faritra SAVA izay mbola tsy nahazo ny ampaham-bolany sisa, ka hijery izany any anivon’ny minisiteran’ny vola. Hojerena ihany koa, hoy izy ny olana eo amin’ireo mpianatry ny ENS sy ny an’ny minisiteran’ny fanatanjahantena momba ny trano eny Ampefiloha.

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT