Politique

Fahefana Avon’ny Tetezamita : Nidinika ny toe-draharaha diplomatika sy ny famahana ny krizy aty Afrika


  • Zoma 26 Martsa 2010

Niaka-tsehatra nitondra fanazavana momba ny famahanany krizy ireo mpahay ny raharaha iraisam-pirenena.

Notanterahina ny 25 martsa tao amin’ny lapan’Anosikely ny famelabelarana narahina adihevitra izay nokarakarain’ny Vaomiera misahana ny raharaha iraisam-pirenena ao anivon’ity andrimpanjakana ity, izay tarihin-dRamanantsoa Benjamina Ramarcel. Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Filoha Lefitr’ity andrimpanjakana ity Rasamoelina Hary Naivo.
«Ny toe-draharaha diplomatika sy ny famahana ny krizy aty Afrika». Io ny lohahevi-dehibe novelabelarina tamin’izany, izay nisokajy ho zanakevitra efatra, ka ny Chancelier Henri Raharijaona, no namelabelatra «ireo fanamby vaovao “géopolitique” sy ny diplomasia». Ny  izay Dr Roland Ramahatra indray no namelabelatra «ny tetezamita sy ny fankatoavana iraisam-pirenena» ary Ramanantsoa Benjamina Ramarcel, Filohan’ny vaomieran’ny fifandraisana iraisam-pirenena no nanazava ny “ Epistémologie des méthodes de règlement des conflits politiques” raha «ny antonanton’ny krizy» no novelabelarin’ny Filohan’ny Vaomieran’ny serasera sy ny fanabeazana.
Nisongadina taorian’ny famelabelarana fa raha hamaha olana, dia tsy maintsy manana fomba fijery mazava sy fomba fijery milamina; tsy mety intsony ny mijanona ho mpitazana fotsiny fa tsy maintsy mandray andraikitra miatrika ny fanovana. Olana ara-tsosialy no iainana ary mitaky fandaminan-draharaha sy fitantanan-draharaham-panjakana mazava ny firenena.
Hisy ny fandravonana ny famelabelarana natao, ary hakana ny fankatoavan’ireo mpamelabela-kevitra. Hatao raki-kevitra hoentin’ny vaomieran’ny fifandraisana iraisam-pirenena mamolavola ireo asa hotanterahina manaraka izany fandravonana ny famelabelaran-kevitra natao izany

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT