Politique

Fahefana Avon’ny Tetezamita Nidinika ny fiantraikan’ny fisian’ny tsy maty manota


  • Zoma 30 Aprily 2010

Nifamotoana omaly tetsy amin’ny lapan’Anosikely omaly ireo mpahay lalàna sy ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ary notarihin’i Roland Ratsiraka, filoha lefitra. Niompana indrindra tamin’ny lohahevitra «ny fiantraikan’ny fisian’ny tsy maty manota» ny lahadinika.

Nitondra fanazavana momba izany ireo mpahay lalàna nahitana ny Tonian’ny Fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambony  sy i Honoré Rakotomanana ary ny sisa hafa. Nisongadina tamin’izany fa toa fototra mampirongatra ny asa ratsy ny fisian’ny tsy maty manota. Very hasina ny fitsarana noho izy io ary tsy voahaja ny lalàna. Mampirisika ny hafa hanao heloka ny fisian’ity tsy maty manota ity hoy ireo mpahay lalàna. Ny fisian’ny tsindry mianjady amin’ireo mpitsara no tena antony mahatonga ity tranga ity, hoy ihany ny fanazavan’ireo mpahay lalàna. Misy fiantraikany eo amin’ny raharaha ekonomika ihany koa ny fisian’ity tsy maty manota ity ka anisan’izany ny fahatoniana eo amin’ny fandraharahana ary miteraka ny sasany hampiasa ny fahefana eo am-pelatanany. Antso no nataon’ireto mpamelabelatra ireto mba tsy hialokaloka  ao ambadiky ny andraikiny ny tsirairay raha tiana ny hiala amin’ity fisian’ny tsy maty manota ity sy ny fisian’ny fahalalahan’ny fitsarana. Misy lilàna azy anefa ny sazy, hoy ireo mpandaha-teny, satria dia mamerina ny nanao heloka ho eo anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny sazy aorian’ny fahavitan’izany ary arofanina ihany koa eo amin’izany fiarahamonina izany.

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT