Politique

Fahefana Avon’ny Tetezamita Hametraka rafitra ekonomika maharitra


  • Zoma 16 Aprily 2010

Nofaranana tao amin’ny lapan’Anosikely ny tetikasa vaovao entina hampandrosoana haingana ny firenena eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-bola, ny alakamisy 15 aprily tamin’ny 10 ora maraina.

Natomboka tamin’ny fanehoana horonan-tsary mirakitra ny lanonana fitokanana ny trano « House of Madagascar » ny fotoana, izay nanaovan’Andriamatoa Tiana Raoelina Tale Jeneralin’ny House  of Madagascar famelabelarana fohy,  vao niditra tamin’ny famelabelarana izay nataon’ny sokajin’olona maromaro. Marihina fa fifanakalozana ara-barotra amin’ny firenena aziatika no tena tanjona amin’ity tetikasa ity   

Nandray anjara fitenenana voalohany ny prezidan’ny komity mpamolavola ny paikady ara-toekarena Andriamatoa Joseph  Yoland izay nanambara ny antony nananganan’izy ireo io komity io. Nilaza izy fa ny krizy eto Madagasikara dia miverimberina, ka hamahana izany no mahatonga ny komity hanorina tetikasa vaovao hoentina hampandrosoana ny lafiny ara-toekarena eto Madagasikara. Ny tanjona dia ny hametrahana  rafitra maharitra  eto amin’ ny firenena.

Nanaraka azy ny Filoha mpiara-mitantana ny komity Mamy Ravelomanana, izay nanazava ny ara-tekinikan’ny tetikasa sy ny tena zava-nisy sy ny misy eto Madagasikara amin’ny lafiny ara toekarena. Nolazainy tamin’izany fa i Madagasikara dia afaka mandroso amin’ny alalan’ny fanarahana ny fomba fiainan’ny any ivelany izay noheverina  fa rafitra vaovao hoentina mampandroso ny firenena. Ary fomba maro isan-karazany no azo atao amin’izany, toy ny fampisamboram-bola hoentina mitrandraka na mamorona asa.
Namarana  ny famelabelarana ny Tiana Raoelina Tale Jeneralin’ny House  of Madagascar izay nilaza fa ny aziatika dia vonona ny hanampy an’i Madagasikara  amin’ny lafiny rehetra  hampandrosoana ny firenena entina hialana amin’ny krizy misy amin’izao fotoana izao. Misy  mpandraharaha indiana 250, hoy izy  vonona ny hampiasa ny volany eto ary hitarika fanomezana asa izany. Nangataka izy mba hisy tanteraka ny famelana malalaka ireo mpandraharaha vahiny na malagasy hanatanteraka ny fandraharahana ataony. Tsy tokony hisy intsony, hoy izy ny antsojay avy atsy na aroa, fa halalaka ny mpandraharaha.

Taorian’ny famelabelarana, dia niditra tamin’ny fametrahana fanontaniana ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ka tamin’izany no nilazan’izy ireo  fa tsy tokony ho ny  fakana  tahaka ny fomba fanaon’ny any ivelany ihany no hampandrosoana  ny firenena, fa tokony hanangana rafitra mifandraika amin’ny zava-misy ao an-toerana. Mety ihany koa raha trandrahana ny harena ambonin’ny tany ka imasoana ny fambolena sy ny fiompiana. Hampidirina ao amin’ny lalàmpanorenana ny fitsipika mifehy ny fandraharahana  eto Madagasikara  ary tokony hifanarahan’ny mpitondra sy ny mpandraharaha.
Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT