Politique

Fahefana Avon’ny Tetezamita Fitondrana mihoson-dra


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Nandriaka ny ra ary dia nihoron-koditra Antsiranana iray vohitra omaly tolakandro. Nanao tifitra variraraka tany amin’ny mpianatry ny oniversiten’Antsiranana handeha hanatitra ny fatin’ny namany iray any amin’ny «Gare routičre» mantsy ny polisin’ny FIP raha nandalo teo anoloan’ny tobin’izy ireo ny mpianatra, izay an’arivony no indray nirohotra.

Enina no naratra, ka ny roa voatifitra teo amin’ny lohany ary miady aman’aina tamin’ny fotoana nanoratana, ny sasany voatifitra teny amin’ny tanany, ny hafa teo amin’ny tratrany.

Vokatry ny daroka nataon’ny polisin’ny FIP ao Antsiranana nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana ny alatsinainy teo no nahafaty an’ity tovolahy izay haterina omaly ity. Njaka Olivier no anarany, avy any Antalaha no fiaviany ary ao amin’ny taona voalohany amin’ny lalam-piofanana fizika izy. Nentin’ny mpianatra nitety ny tanàna, nandalo ny residence, nanoloana ny kaomisaria, ny tobin’ny polisy ny razana raha niala avy any amin’ny hopitaly hihazo ny oniversite ny alin’ny talata teo. Misavorovoro Antsiranana iray vohitra teo anoloan’izany. Ahiana ny hitaran’ny raharaha. Nidina maika tany an-toerana ny delegasiona FAT notarihin’ny Minisitry ny fampianarana ambony, Tongavelo Athanase nandamina, saingy mafampana tsy hay tohaina ny mpianatra. Nanokana iray minitra ho fahatsiarovana ity mpianatra lavo ity ny ankolafy telo nandritra ny hetsika nataon’izy ireo tetsy Alarobia omaly.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT