Nandray fitenenana farany tamin’ny maha lehiben’ny CIRGN Analamanga azy tetsy Ankadilalana omaly ny jeneraly Florens Rakotomahanina.
Mbola nampahafantatra faramparany ny fepetra horaisina mandritry ny hetsika fahatsiarovana ny tolon’ny 72 anio etsy Analakely ny tenany ary dia nanambara indray fa tsy maintsy tanterahana ny toromarika nomen’ny prefektiora. Ny mpitandro ny filaminana no handrindra ny fanateram-boninkazo ary tsy misy mahazo mikabary fa izay avy manatitra dia miala. Tsy azo atao ihany koa ny milahatra an-dalambe. Mpitandro ny filaminana 600 isa no hahetsika. Fangatahana 3 no nomen’ny prefektiora alalana dia fikambanana “Fanahy no olana” izay tarihin’ny pretra Randrianavonjisoa ary hanao fotoam-pivavahana ao Mahamasina, ny antoko Freedom ho ao amin’ny kianjan’ny kanto ary ireo izay ho eny Andohalo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.