Politique

Fahasahiranan’ny firenena Mila mahay miaiky heloka ny mpitondra


  • Alatsinainy 07 Novambra 2016

Notakian’ny vahoaka any Korea Atsimo ny fametraham-pialan’ny filohany Rtoa Park Geun-hye noho ny resaka tsy fahaiza-mitantana ny firenena.

 

 Niaiky sy nibaboka ity filoha ity taorian’izay fa maro ny zavatra tsy nety teo amin’ny firenena ka nangatahany famelana tamin’ny vahoakany sy nilazany ny hanonerany ny tsy mety rehetra mba hanasoavana ny firenena. Nesoriny ny herinandro teo ny praimisitra sy ny minisitra 2 noho ny tsy fahombiazany. Noroahina ihany koa ny mpanolotsaina 2 tena akaiky ny filoha izay nalaza ratsy tamin’ny fanararaotam-pahefana sy ny fanodinkodinana volam-panjakana, ka nandoto tanteraka ny anaran’ny filoha. Ny tena zava-dehibe dia ilay finiavana sy ny fihaikena an-tsitrapo sy am-panatren-tena ny hadisoana ary ny fahavononana hanonitra azy. Aiza ho aiza ny mpitondra eto amintsika amin’izany ? Firifiry ireo tandapa malaza ratsy amina resaka fanondranana harena ankibon’ny  tany sy fananararaotam-pahefana saingy tsy manao na inona na inona ny filoham-pirenena. Misy amin’ny sasany aza efa tena mandoto tanteraka ny anaran’ny filoha saingy toa tazanim-potsiny. Efa ny rehetra tsy an-kanavaka mihitsy ve no maloto ka tsy afaka ny hifanitsoka sy ny hifandetika ka mifampiaro sy mifanohantohan-tsy ho lavo sisa no azo atao ? Dia hampanjakaina eto amin’ny tany sy ny firenena izany ny tsy maty manota ka tsy hatao mahagaga raha ny fiarahamonina mihitsy no efa samy manao izay tiany hatao. Tsy misy olona tsy mety solafaka saingy ilay finiavana hiaiky ny hadisoana sy ny fahavononana hanonitra izany no tsy ampy eto amin’ity firenena ity.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT