Voninahitra no katsahina amin’ny fihaonana Frankofonia ary ny lokon’ny Malagasy sy i Madagasikara iray manontolo no mila arovana saingy fahafaham-baraka no hiseho eto, hoy ny mpanao politika maro.
Na ny mpitondra na ny vahoaka dia samy ho afa-baraka eto raha ny fahitana azy. Ny vahoaka madinika efa ela no nibaby izany noho ny fahantrana mandifotra azy saingy tsy afa-manoatra satria tsy misy mpitondra hanampy sy hisintona azy hiakatra. Toa efa manomboka zatra afa-baraka lava vokatry ny tandrametaka ihany koa ny mpitondra ka lasa rano fisotro ny kiana ary fady izay handray toromarika sy torohevitra avy amin’ny hafa. Hambom-po diso toerana no hanaovana sorona ny fiainam-pirenena izay efa ataon’ny olona resaka fa bado sy mora hambakaina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.