Fantatra avy amin’ny fitafan’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny AREMA notarihan’ny Sekretera Nasionaly vonjimaika, ny Pr Ange Andrianarisoa tetsy amin’ny akany
Lovasoa 67 ha omaly alatsinainy 15 aogositra, fa hanohy ny zaikabem-paritany efa natombony teto Antananarivo ny 19 janoary teo sy efa notohizana tany Toamasina farany teo ny antoko AREMA tarihan’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Any Mahajanga no hanohizana izany ny 2 sy 3 septambra izao, avy eo any Antsiranana any Toliara ary hofaranana kosa any Fianarantsoa amin’ny 4 novambra 2016 ka sady famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona niorenan’ny antoko no hankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Amiraly ihany koa. Heno tetsy 67 ha koa fa efa ela ny Arema no vonona hiatrika ny fifidianana rehetra hiseho eto amin’ny firenena, anisan’izany ny fifidianana ho filoham-pirenena manaraka. Efa nambaran’ny filoha Didier Ratsiraka, hoy ny mpitondra teny, fa tsy azo atao ny manongam-panjakana. Tsy hisy intsony fifampihantsiana eo anivon’ny Arema fa miantso ireo nisintaka hiverina ilalana fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny antoko sady efa namoaka kara-pikambanana vaovao izy ireo amin’izao fotoana izao nahazoana nametra tsara ny tena isan’ny mbola mpanara-dia ankehitriny ka tamin’izany no nahafantarana fa mahatratra 400.000 isa izany izao ka ny 1400 hatramin’ny 2000 amin’ireo no handrasana hihazo an’i Mahajanga.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.