Politique

Faha-15 taonan’ny TIM Eny Mahamasina ny 29 jolay


  • Sabotsy 22 Jolay 2017

Nanao fanambarana teny Tsimbazaza ny Birao politikan’ny Antoko Tiako I Madagasikara omaly, ka nivoitra tamin’izany ny fampitam-baovao fa nandresy sy nahazo rariny tany amin'ny Filan-kevi-pankajana (Conseil d'Etat)

 ny TIM rehefa nampiakatra ny raharaha ny prefektioran'Antananarivo taorian'ny nahazoan'ny antoko rariny teo anivon'ny fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin'ny fanjakana ny 7 jolay lasa teo. Midika izany fa malalaka amin’ny fanamarihana manetriketrika ny faha-15 taona nijoroany ny TIM, ka omaly ihany dia nampahafantarina fa amin’ny 29 jolay izao no hanatanterahana azy. Tsy notapatapahana fahatany io daty io, fa nandrasana mihitsy ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-panjakana. Tsy miova kosa ny toerana fa eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina ihany. Nanamafy ny mpitantana ny antoko, fa efa tafapetraka omaly teny amin'ny prefektiora ny fangatahana fahazoan-dalana, ary tsy tokony hisy intsony ny olana. Raha ny resaka filaminana kosa, mangataka fiaraha-miasa amin'ny mpitandro filaminana izahay hisahana ny fandriampahalemana ivelan'ny kianjaben'i Mahamasina, fa izahay no hanara-maso ny filaminana ao anatiny, ary tsy misy tokony hatahorana izany fa izahay dia milamina, hoy ny mpisolovava sady solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa.

Tsy tokony hisy sakana intsony

Tsy misy intsony ny sakana amin’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny TIM, raha ny lalàna velona eto amin’ny firenena no arahina sy hajaina ary hampiharina amin’ny antsakany sy andavany. Ny fahendren’ny fitondram-panjakana sisa andrasana amin’ny tsy tokony hisian’ny antsojay, ka hanakanana sy hilana voatsiary indray na dia efa nahazo rariny tamin’ny fitsarana sy ny filan-kevi-panjakana aza ny antoko. Tsy misy tokony hatahoran’ny fitondrana rahateo ny hetsiky ny antoko, izay tsy misy resaka fanakorontanana na fanozongozonana fitondrana fa ny mpitondra mihitsy no toa mahana tsy henjehina sy be fialonana, ka dia mila voatsiary. I Marc Ravalomanana rahateo efa nilaza ny 8 jolay nandritra ny fanambarana nataony teny amin’ny Hotely Carlton fa manaja hatrany ny ny lalàmpanorenena ary indrindra ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika, saingy soketaina hatrany ho mitady hanongam-panjakana. Rehefa tiana hovonoina tokoa ny alika dia lazaina fa romotra, hoy ny fitenenana, ka tsy hay hoe mbola hahita hevitra sy kajikajy politika hoenti-manakana ny TIM, izay manara-dalàna hatrany ve ny fitondrana sa mba hanaja ny rafi-pitsarana sy ny rafi-panjakana izay efa nanome rariny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT