Politique

Fa misy inona ? Tonga indray ny SADC


  • Talata 16 Aogositra 2016

Eto Madagasikara hatry ny omaly ny filoha mozambikanina teo aloha, Joachim Chissano. Mangingina tsy nahenoana fampandrenesana mialoha toy ny fahita hatrizay ny fahatongavany.

 

 Azo antoka fa manodidina ny fampiharana ny tondrozotra, izay nifanarahan’ny mpanao politika malagasy ary notohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hamoahana an’i Madagasikara tao anatin’ny krizy, ka nirosoana tamin’ny fanatanterahana ireo fifidianana isan’ambaratongany ny vontoatin’ny diany. Lasa lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena rahateo io tondrozotra io. Atoa Joachim Chissano no lehiben’ny iraka avy amin’ny vondrom-pifanakalozana SADC nanao fanelanelanana ireo mpifanandrina politika teto Madagasikara, taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Izao fahatongavany eto izao dia mbola taratry ny tsy fisian’ny fitoniana politika eto Madagasikara. Heverina fa hanao tombana ny fampiharana isan’andininy io tondrozotra io no anton-diany eto. Anio misandratr’andro moa izy no hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Rahampitso alarobia 17 aogositra no hihaona amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ankoatra ireo, re fa ao anatin’ny fandaharam-potoan’i Joachim Chissano ihany koa ny fihaonana amin’ny FFKM, ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) ary ireo filoha teo aloha roa dia i Didier Ratsiraka sy Zafy Albert. Ho hita eo ihany moa ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT