Politique

ESCOPOL Nampiaka-peo ireo voailika


  • Talata 12 Oktobra 2010


Tsy niandry ela fa ora iray taorian’ny nampahafantarana ofisialy ireo mpikambana 90 mianadahy ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely ihany dia namory mpanao gazety tao amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary ireo ESCOPOL tsy nahazo seza. Nisy 14 teo izy ireo, tarihin-dRaharijaona Pierre (Arema Matotra) sy Henri Charles Andriamahefa (depioten’i Moramanga teo aloha). Anisan’ireo nanao ny fifanarahana politika teny Ivato ny 13 aogositra izy ireto nefa tsy hita tao anaty lisitry ny CST, na niandrandra mafy izany aza. Nambaran’izy ireo moa fa dia tamin’ny sms no nampahafantarana izay voatendry ho mpikambana CST. Famahana krizy no mahatonga anay tao fa tsy fitiavam-bola na toerana, kanefa misy misandoka ho ESCOPOL ary izy ireo no nahazo toerana. Koa toherin’izy ireo ny fomba nanendrena ny CST, izay amin’izy ireo nanjakan’ny fitiavan-tena sy kinamanamana ka tokony hahitsy. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT