Politique

ESCOPOL Mifandramatra anaty ny mpikambana


  • Zoma 10 Septambra 2010

Niakatra ny feo tao amin’ny Motel Anosy omaly nandritra ny fivorian’ireo mpanao politika mivondrona ao amin’ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika na ESCOPOL, izay manohana an’i Andry Raojelina.

Tsy nahatsindry fo ny sasany, ka dia nisendaotra raha nandre fa dia nisy zavatra tsy nifanarahana akory nefa nisy mamoaka an-tsokosoko tany, hany ka tabataba nanoatra noho ny ady an-tsena ny an’ireto mpanao politika miady seza ireto omaly. Efa tsinjotsinjo ihany ny amin’izy ireo, satria dia adin’ny samy fetsy ny ao. Ao ireo mitady hanao fitaovana ny antoko “madinika” sasany hahazoana toerana anatin’ny andrimpanjakan’ny tetezamita noheverina fa hatsangana araka ny fifanarahana politika vita sonia iray volana lasa izay, saingy tsy mety mahita masoandro mandrak’ity ny anio.

Tsy manaiky lembenana anefa ireo antoko madinika ireo, ka dia mifampiandry kendritohina ny rehetra. Mafana ny adihevitra isaky ny misy tolo-kevitra vaovao. Sasatry ny ovaina endrika indray mantsy izao ilay fifanarahana politika efa niarahan’i Andry Rajoelina sy ny ESCOPOL ary ny UDR, nanao sonia tao Ivato ny zoma 13 aogositra 2010 farany teo iny. Ao anatin’izay indrindra anefa no teraka ny ahiahy eo amin’ny samy mpanao politika eo anivon’ity ESCOPOL ity, ary dia hipatitaka koa ny hiafarany raha izao no fisehony. Vokatr’izay dia nasiam-panovana omaly ny mpikambana mandrafitra ireo vaomiera ao anatin’ny sehatra ity. Ho hita eo ihany ny tohiny. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT