Politique

Escopol : Miandrandra amnistia faobe misy fepetra


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Mankasitraka ny fitiavatanin-drazana nasehon’ny filoha Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, izay tsy hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity indray mitoraka ity ny Escopol, iray amin’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra.

 Maniry izy araka ny fanambarana navoakany fa hisy fiatraikany feno amin’ny fanavaozana ny fanaovana politika ny fihetsika nasehon’iretsy farany. Miandrandra amnistia faobe koa ity vondrona ity nefa mametraka fepetra izy amin’izany. “Tsy hiarovana ny tsimatimanota anefa ny famotsoran-keloka”, hoy hatrany ilay fanambarana. Nampiany koa fa tsy tokony handray anjara amin’ny fifidianana rehetra tontosaina ho famaranana ny tetezamita ireo rehetra hahazo famotsoran-keloka.

“Mijanona ho mpanotrona mandritra ny fotoam-pifidianana vao ho diavina sady tsy handray anjara amin’ireo asam-pitantanam-bahoaka angataham-pifidianana ry zareo”. Fotoana fakana saina sy fampieritreretana izany io araka ny fanazavan’ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka, Ravelomanantsoa Elia, mpandrindra ankapoben’ny Escopol. Midika izany hevitr’ity vondrona ity izany fa tahaka an’i Andry Rajoelina dia any amin’ny 2018 koa vao afaka tsarain’ny vahoaka ireo hahazo amnistia. Misy koa ny antsony ho an’ny vahoaka mba hanoratra ny anarany amin’ny lisi-pifidianana sy hanamboatra kara-panondro ho an’ireo feno taona ka tsy manana. Mandrisika ny fianakaviambe iraisam-pirenena kosa ny Escopol hanome tsy misy hataka andro ireo fanohanana rehetra hahafahan’ny firenena Malagasy mamarana ny krizy.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT