Politique

Eric Randrianaivo Tsy hihemotra amin’ny tolona ny AFP


  • Talata 16 Aogositra 2016

Tonga ny fotoana izay handraisan’ny vahoaka Malagasy fanapahan-kevitra sy hanehoana firaisankina hilazan’izy ireo mivantana ny olana sy ny fahasahiranana, indrindra ny tsy fahandriampahalemana mianjady amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy Atoa Eric Randranaivo mpikambana ao amin’ny AFP na ny Antso ho an’ny Fanavotam-Pirenena.

 

 Toa soabakaka ambodirina ny vahoaka raha mitaraina fa toy ny miantso an’efitra ihany. Tsy nohenoina ary zary lasa fanesoana aza no tambiny. Manamafy ary ny AFP fa ny tolona masina izay iarahana amin’ny vondron-kery samihafa, indrindra fa ny vahoaka andriamanjaka sy tompon’ny fahefana, dia tsy hihemotra ary hanetanana ny rehetra izay mahatsiaro fijaliana, fahaverezan-tany, iharan’ny herisetra na mivantana na an-kolaka hanatevin-daharana ny hetsika efa voalaza fa hatao eny amin’ny araben’ny fahaleovantena ny marainan’ny zoma 19 aogositra 2016 izao. Mankasitraka indrindra ireo izay efa namaly ny antso ry zareo AFP ary misaotra ihany koa ny fitsanganan’ny fivondronamben’ny Eveka nanentana ny amin’ny fandraisana an-tanana izao loza manjo ny firenena izao. Andao isika handresy ny tsy rariny misy, hoy Eric Randrianaivo ary hanorina ny ho avy mamirapiratra ho an’ny taranaka fa masina i Gasikara.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT